Daty sady Kianja ny 13 mey. 39 taona izao ny tantaran’ity daty ity. 13 taona in-3 izay, hatramin’ny 13 mey 1972 raha natao ny fanisana.
Natahotra ity daty 13 mey ity avokoa ny ankamaroan’ireo mpitondra nifanesy teto amintsika. Ary amin’ity dia hitombo izany tahotra izany satria araka ny finoana vahiny, ny Frantsay no marimarina kokoa, ka asa raha finoanoam-poana na tsia fa dia nilatsaka zoma ny 13 mey. Tamin’ity taona 2011 ity koa vao nofefena vy io kianja io, ary ezahin’ireo mpitondra vonoina sy kosehina ka verezina anarana amin’ny hoe ‘fitiavana’ ankosoka ny 13 mey. Araka ny fanazavan’ny mpandinika sy mpanara-baovao dia misy dikany avokoa na ny vy na ny fitiavana. Refin’ny tahotra ny fefy vy. Lanjan’ny tsiny ny fitalahoana fitiavana.
Mavesatra tsy zaka lolohavina eo amin’ny tantara ny tsiny amin’ilay kianja natao sehatry ny fitaka sy fandrendreham-bahoaka, nananganana fanjakan’i Baroa tamin’ny 2009, araka ny fanazavana. Ankoatra izay dia misy fambara ho an’ireo manan-tsaina ny 13 mey. Fitondrana «vive La Frantsa» tsy mahatanty mpifaninana politika miolonolona, mikitranoantrano manapepo. Samy mpitondra mifandrafy. Tapi-dàlan-kaleha ny mpianatra hatrany amin’ny Oniversite. Namoifo ny Zatovo Ory Asa (ZOAM). Ny fanjakana mamba noana lasa mpangarom-paosy mitaky hetra isan-dahy. Nikomy ny ambanivohitra hatrany atsimo. Asa famoretana no nataon’ny Zandary. Ny radio sy ny filazam-baovao tratran’ny sivana. Samborina izay rehetra mihetsika fa hoe «fiokoana» sy «fanonganam-panjakana».
Fifidianana petatoko «namboarina tamin’ny fanaovany azy» no fitazonana aina hitan’ny ekipa nitondra. «Mbola tsy teraka izay olona handimby anao, Prezidà». 90% mahery no nolazaina nandany ny Prezidà tamin’ny desambra 1971. Nofaohin’ny “13 mai 1972” tahaka ny tsy nisy izany rehetra izany. Tsy mbola teraka ny filohan’ny FAT ankehitriny tamin’izany, hoy ihany ny fanazavana saingy tsy mifanalavitra amin’ireo ny zava-misy ankehitriny. Hany ka lasa hendratrendratra amin’ny «sabotazy» sy ny «fiokoana hamono hahafaty» ny manodidina azy. Fahafatesana politika eo anatrehan’ny tantara anefa tsy voasakan’ny fefy vy eo an-kianja. Ny 13 mey andro lehiben’ny fanjakana iaraha-manana efa 13 in-3 tsy voakosoky ny Baroa tokana in-dray mielatra amin’ny tantara.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.