Actualités

13 ha eny Alasora lasan'ny vahiny Tsy manaiky lembenana ireo tompon-tany


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Tany mirefy 13 ha eo ao amin’ny kaominina Alasora no bodoin’ny orinasa vahiny malaza iray, hoy ny fitarainan’ny mponina.

Ahitana tanàna sy tanimbary io, ao amin’ny fokontany Est Mahazoarivo sy Ankadiaivo. Milaza ireo mponina fa manana kadasitra, ary misy ny manana “titre”, nisy efa trano fonenana niorina teo. Ny talata 15 febroary teo, dia nilaza hanao marika na “piquage” ny vahiny, tsy nanaiky ireo vahoaka ka nilaza tamin’ny mpisolovava fa mbola tsy nisy ny fifampivarotana ka nahoana no ilazany fa efa an’ny vahiny ny tany? Taorian’izay dia nanatona ny biraon’ny fanana-tany ireo vahoaka ireo nangataka ny “certificat de situation juridique”, hita tao tokoa fa efa misy olona misoratra amin’io tany io ary lasany avokoa izy rehetra. Rehefa nohamarinina, hoy ireo tompon’ny tany dia misy hosoka ao anatin’ny nikarakaran’izy ireo ny taratasiny. Misy “partiels”hatrany amin’ny 100 mahery no lasa. “Ny ahy manokana, tanimbary lovan-drazana misy “partiels 5” efa vita “mutation” ara-dalàna tamin’ny alalan’ny “notorièté” tao amin’ny Sampan-draharahan’ny fananan-tany tamin’ny 2015, ary mbola eo am-pelantananay ihany koa ny kadasitra hatramin’ny taona 1935, hoy Atoa Rakotonarivo Mahefarivelo Solontenan’ny mponina isan’ny lasibatra. Raha ny fanampi-panazavana, tamin’ny fitondrana teo aloha dia nolazaina tamin’ireo tompon’ny tany izay samy manana taratasy ara-dalàna avokoa fa ho fanatanterahana ny vinan’ny filoham-pirenena tamin’izany dia ilain’ny fanjakana ny ampahany amin’io tany io. Taty aoriana anefa, dia fantatra indray fa teratany vahiny no mikasa hividy io tany io ka ferany ho 4000Ar/m2. Nisy ireo resy lahatra tamin’izany ka nivarotra ny taniny. Ireo tsy nanaiky kosa dia misy olon’io teratany vahiny io tonga any an-trano ka milaza fa na ivarotra ny tompon’ny tany na tsia dia tsy maintsy lasan’ny vahiny avokoa, hoy ny fitarainan’ireo mmponina. Milaza tsy hanaiky lembenanana izy ireo, fa hitory eo anatrehan’ny raharaha, ary manitrikitrika fa manana taratasy ara-dalàna.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakàna

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT