Actualités

120 taonan’ny FMTA Fampirantiana mandritra ny iray volana


  • Alarobia 02 Aprily 2014

Mandritra ity volana aprily 2014 ity no mampiranty ny tantara fintina ho fankalazana ny faha-120 taona niorenany ny Fiangonana Protestanta Malagasy Tranozozoro Antranobiriky.

 Nosokafana omaly teny amin’ny Fiangonana Antranobiriky Foibe Ambatonakanga ny fampahafantarana ny Fiangonana mahaleotena voalohany tsy miankina tamin’ireo misiona avy any ivelany. Nosafidiana ny foibe hanatanterahana ny hetsika satria ilaina ny fampahafantarana ny tantaran’ny FMTA amin’ny mponina eto an-drenivohitra izay tafiditra ao anatin’ny vakoka Malagasy. Manaporofo izany ny endriky ny fiangonana izay tsy mbola nasiam-panovana mihitsy.

Eo ihany koa ny «harmonia» izay natolotry ny Mpanjakavavy Ranavalona I tamin’ny taona 1894 ho mariky ny fankatoavany ny fijoroan’ny FMTA. Toraka izany koa ny pilopitra, ny alitara ary ny dabilio vita amin’ny voamboana izay mbola ampiasain’ny mpino kristianina ankehitriny. Nahitana fanitarana kosa ny trano fiangonana amin’ny ilany avaratra miampy ny rihana efatra noho ny ny fitombon’ny mpino. Ny pasitera Rajaonary moa no mpitandrina voalohany tao amin’ny Fiangonana Protestanta Malagasy Tranozozoro Antranobiriky raha ny Révérend Andriamanarivo David kosa no mpitandrina faha-8 sady filohan’ny FMTA nanomboka ny taona 2005. Ahitana mpino kristianina 2 alina, fiangonana 170 ary mpitandrina 70 ankehitriny ny FMTA eto Madagasikara.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tahina Bonheur
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Nohelohina 4 taona sazy mihatra,

  • KAOMININA AMPITATAFIKA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

18% monja ireo mponina

  • Hentitra ny PRRM
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Atsaharo ny kolikoly, mankahery

  • Kolikoly
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

amin'ny asam-panjakĂ na

  • MAHAVELONA
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

FOULPOINTE

  • HAINTRANO
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

GOAVANA TAO ANOSIBE AN’ALA

Hijery ny tohiny
FTT