Feno mpitandro ny filaminana avy ao amin’ny Emmo-Reg teny Andranomena ny alahady teo, nandritry ny fahatsiarovana ny datin’ny 11 septambra izay nisian’ny asa fampihorohoroana tany Etazonia ka nahafaty olona an’arivony maro.
Nambenana ny ambasady amerikanina ary nohamafisina torak’izany ihany koa ny fiambenana azy na anatiny izany na ivelany. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny tena antony. Raha ny fanazavan’ireo avy eo amin’ny Emmo-Reg aloha dia hoe mba mariky ny fifanomezan-tanana eo amin’ny firenena roa tonta amin’ny lafiny fandriampahalemana ny anton’izany. Na izany aza anefa dia izay fotsiny ve no antony nanetsehana miaramila marobe ? Heverina fa akaikikaiky kokoa ny hoe nahiana hisy asa fanakorontanana teto an-drenivohitra iny andro iny. Efa misy ary efa nisy teto amintsika rahateo ny mpanao fanakorontanana avo lenta, raha tsy hitanisa afa tsy ireny Jamal Khalifa sy ny sisa izay tena akaiky ny Al Qaïda ireny. Mety mifandraika amin’izany rehetra izany ny antony nanamafisana ny fiambenana ny ambasady ny alahady teo.
Samy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.