Actualités

1 mey teto Iarivo Naneho ny endriny ny herim-pamoretana


  • Alatsinainy 02 Mey 2011


 Fankalazana ny 1 mey hafakely no tazana teto Iarivo tamin’ity taona 2011 ity. Naneho ny endriny tamin’ny fampitahorana ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro ny filaminana. Raha hoe natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany izy ireo dia toa lasa herim-pamoretana no fitazana azy satria tsy mba andiany mandeha an-tongotra 10 na 20 no hita teny amin’ny Esplanade Analakely nanakaiky ny Tranompokonolona nampiantrano ny hetsiky ny very asa, fa miaramila efatra kamiao nampiana 4x4 vitsivitsy nihaodihaody ny tanàna ary samy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika avokoa. Efa nifampitadiavan-dry zareo hatreny Besarety ireo mpanao fihetsiketsehana vao narahiny teny Analakely ity. Ny 1 mey dia hetsika iraisam-pirenena tanterahan’ny mpiasa maneran-tany hanoherana ny tsindrihazolena mianjady aminy amin’ny lafiny rehetra nefa tsy azo atao aty amintsika raha tsy hakana fahazoan-dalana amin’ny fitondrana FAT ary mbola arahina fandrirarirana koa amin’izay.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT