Actualités

“03 mey” tao Ambatondrazaka Naneho ny maha matihanina azy ny mpanao gazety


  • Alakamisy 05 Mey 2011

Ireo mpanao gazety rehetra na an-tsoratra na an-tsary na am-bava izay mivondrona ao anatin’ny fikambanana SPM (Solidarité Professionnelle en Média) any Ambatondrazaka no niaraka nankalaza ny datin’ny 03 mey, andro natokan’ny Firenena Mikambana ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.

Adihevitra niompana tamin’ny maha zava-dehibe ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety no nentin’izy ireo nanamarika izany. Niaraka niady hevitra tamin’izy ireo ny lehiben’ny Distrikan’Ambatondrazaka, Andriambahoaka Samoelina, izay namaritra fa tokony hivondrona ny mpanao gazety fa tsy hosamatsamahan’ny resaka politika. Voaresaka betsaka tamin’ny adihevitra ny mahakasika ny fomba fiasan’ny mpanao gazety, indrindra rehefa misy hetsika politika.

Samy resy lahatra ireo nandray anjara tamin’ny adihevitra fa tokony haneho ny maha matihanina azy hatrany ny mpanao gazety, indrindra ao anatin’izao vanim-potoan’ny fanatontoloana izao. Naharitra ora iray ny adihevitra izay nandeha nivantana tao amin’ny radio Barawa FM. Nitarika sy nandrindra ny adihevitra ny mpanao gazety masoivohon’ny Midi Madagasikara, Janus Raembosoa filohan’ny fikambanana SPM any Ambatondrazaka.

 
Niry A.
 

Sary : Ny lehiben'ny distrikan’Ambatondrazaka niara-niady hevitra tamin'ny mpanao gazety

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT