Toekarena

ZES Madagascar Miendrika famarotana tanindrazana


  • Alatsinainy 16 Aprily 2018

Hatreto aloha dia misesy ireo fanehoan-kevitra eo amin’ny mpanao politika, eo amin’ny mpahay toekarena, eo amin’ny sehatra samihafa izay misintona ny sain’ ireo mpikambana ao amin’ny HCC mba tsy hankatoa ireo volavolan-dalàna izay miteraka resabe. Anisan’izany ny lalàna mifehy ny ZES izay tena miendrika ho famoratana tanindrazana hoy izy ireo.

Tsy misy maharatsy ny ZES satria anisan’ ny tetika nampandroso firenena an-dalam-pandrosoana maro izany ary isan’ny voalohany nampihatra an’izany i Sina ka nanaraka azy tao aoriana i Malaysia, Indonesia, Vietnam…

Zava-doza

Ny teo anivon’ny Emergence Madagascar dia nanambara mihitsy fa “mety ho zava-doza ny tsy fitsinjovana ny tombon-tsoan’ ny teran-tany satria mety misy ny fakam-panahy andeha hampanofa tany sy hivarotra tany ao anatin’ny varotra feno izay no vahiny no hametraka ny lalànany ao anatin’ io. Raha tsotsorina dia karazana “promotion immobilière” io tetik’asa io ka avy eo ilay “promoteur” na “développeur” no mpanajary ny tompon’ilay tany mandritra ny fotoana maro na koa mandritra ny fotoana voafetra. Ny olana tena goavana dia ny zavatra ateraky ilay lalàna eo amin’ny And. 51 izay manome alalana ho an’ilay “developpeur” hanofa tany azo havaozina mandritra ny 30 taona. Tokony ny fanjakana ny “développeur” fa mijanona miara-miombon’antoka amin’ ireo vahiny fa tsy tonga dia omena an’ny vahiny. Izany hoe rehefa afaka manofa 30 taona azo havaozina dia lasa ny vahiny ilay faritra ara-toekarena manokana.”


Mila fehezina

Ny teny fanaovana ZES amin’ny lalàna dia tokony misy fitsipika  na “règlementations” mamehy fampiasam-bola eto Madagasikara. Mipetraka eto ny fanontaniana hoy Alain Mahavimbina, lehiben’ny faritra atsinanana nandritra ny fitondrana tetezamita: “Voafehy isika ve ny lalàna pitsopitsony mifehy an’izany ZES? Moa ve voafehy isika hanaraka ny fepetra izay apetrak’isika mba hahatongava amin’izany tombon-tsoa iombonana izany.  Misy hifandraisana amina firenena roa faharafakeliny ary tsy maintsy jerena ny sisin-tany frontières. Tsy maintsy haintsika koa no manaraka izany fitsipika izany. Raha vao misy tsy fifanarahana amin’ny roa tonta rehefa tsy misy hahazahoana tombony dia ahiana hiteraka zava-doza. Tsy tokony ny governemanta no  mikonokonina izany lalàna mifehy ny ZES io fa fitsapahan-kevi-bahoaka no tokony hatao fa tsy tokony avoaka avy amin’ ny parlementera. Tokony zaraina 60/40 ihany koa ny tombony mba hisy arofanina ho an’ny Malagasy.Raha toa ka tsy misy izany dia ireo mpamatsy vola no voaaro amin’ilay lalàna mifehy ny” grandes mines”” . Samy manahy ny amin’ny mety hisian’ny korontana sy krizy vaovao ireo mpahay lalàna sy toekarena ireo raha ny nambarany .


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT