Notanterahina teny Antaninarenina, iray volana lasa izay, ny atrikasa nandinihana ny lalàna lasitra mifehy ny mpiasa an-trano sy ireo mpiasa mila ravinahitra any ivelany.
Zava-dehibe ny hisian’io lalàna io mazava tsara, satria iaraha-mahalala fa vitsy dia vitsy amin’ireny mpiasa ireny no mba misitraka ny zony, na tena voahitsakitsaka mihitsy ny zo maha olombelona azy. Fa na ireo mpiasa amina orinasa heverina ho ara-dalàna aza dia mbola maro ihany koa no miaina karazana herisetra sy fanararaotana, izay mazàna no iafiana fotsiny, noho ny tahotry ny ho very asa. Ny voalohany mampitaraina an’ireo mpiasa dia ny tsy fisitrahan’izy ireo ny zony momba ny fiantohana ara-tsosialy. Betsaka tokoa mantsy ny orinasa no tsy mandoa izany. Misy ireo mpampiasa no mandoa ihany, fa karama ambany noho ny nifanarahana no ambarany amin’ny trano fiantohana. Misy fiantraikany any amin’ny retiretin’ny mpiasa izany. Karazana fanararaotana iray mpahazo ny mpiasa malagasy ihany koa ireo miendrika fanambazana ara-pananahana (harcèlement sexuel), izay matetika no miaro fandrahonana. Ny lalàna momba ny herisetra mifototra amin’ny miralenta (VBG) dia manafay izany, saingy sarotra ny manaporofo ny fisiany. Eo ihany koa ny tahotr’ireo iharany sao ho very asa. Fa hatramin’ny nampiroborobo ny fampiasana aterineto teto amintsika dia zary lasa fanaon’ny orinasa sasany ihany koa ny mitsirika ny fiainana manokan’ireo mpiasany, amin’ny alalan’ny fidirana an-tsokosoko any anatin’ny tambajotra sosialin’ireo mpiasa. Manana ny lalàna momba ny « cybercrimilalité » ihany koa anefa isika, manafay izany. Santionany ihany amin’ny zava-misy iainan’ny mpiasa malagasy ireo, saingy ny ankamaroany dia mifidy ny hanakombom-bava, satria sarotra ny mitady asa eto amintsika. Raha ny antontan’isa no tsiahivina dia malagasy 4 tapitrisa no miaina ao anatin’ny tsy fananana asa, nefa tanora manodidina ny 500.000 isan-taona ihany koa no nahavita fianarana sy mitady asa eto amintsika.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.