Toekarena

Tsena iraisam-pirenena Lavanila 515 taonina no naondrana hatreto


  • Zoma 27 Novambra 2020

Tsy mitombina eo amin’ny tolotra sy tinady ny fampiakarana na fampidininana

 

ny vidin’ny lavanila. Isika tsy manaiky horebireben’ny tena iraisam-pirenena. Lojika be raha mpividy tsy hiteny hoe hakaro, ary mpivarotra hoe hampidino, hoy ny Minisitra Lantosoa Rakotomalala. Ny fametrahana an’io 250 dolara io dia nanaja tanteraka ny “prix de référence”, ary tsy mihemotra ny fanjakana amin’ny famerana ilay 250 dolara, hoy ity Minisitra ity nanamafy. Raha tsy nisy an’io nanomboka ny janoary-jona, dia tsy nahita vola niditra 500 tapitrisa dolara isika, raha ny fanazavany. 515 taonina ny lavanila efa naondrantsika tao anatin’ny roa volana nanomboka ny taom-piotazana tamin’ny 15 septambra, raha 1500 taonina no tanjona amin’ity taom-piotazana ity. 10 volana eo ny taom-piotazana, ka ny efa maherin’ny 30% aminin’ny tanjona isan-taona no efa niondrana no voaondrana. Mitohy sy mirindra ny fanondranana. Ny 86% tamin’ny 515 taonina dia avy any amin’ny Faritra Sava. Raha misy miteny fa tsisy mpividy ny lavanila dia tsy marina izany, hoy io Minisitra io. Miisa 23 ny firenena nanondranana sy nanao kaomandy raha 61 eo isan-taona. Tany Eoropa 50% mahery, tany Etazonia ny 14,22%, tany Canada ny 11,8%. Mbola mitana ny laharana voalohany manerany-tany isika, tsisy fiantraikany goavana amin’ny mety tsy hisian’ny mpividy ny vokatra ny fisian’ny covid-19 raha ny nambaran’io Minisitra io. Isan’ny navoitrany ny fanomezana lanja Filan-kevitra nasionalin’ny lavanila. Mampiaka-peo hatrany ny tantsaha eo anatrehan’ilay vidiny nitotongana 100 000Ar, raha 3,6 tapitrisa (600 euros) ny taona 2019.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT