Ny voalohany volana mey dia ny fetin'ny Asa ,izay no mahazatra amin’ny fitenenan'ny olona raha vao miresaka io daty io.
Raha ny marina anefa dia fetin'ny mpiasa no voambolana mety sy sahaza kokoa fa tsy ilay asa loatra. Izany hoe tsy mijery afa-tsy ny vita ny mpampiasa fa tsy mijery ilay olona nanao ny asa, tsy mahalala ny filan'ilay mpiasa sy ny zavatra mety mihatra aminy. Raha mbola mpiasa koa anefa dia tsy azo lavina fa samy mahatsapa fa tsy mifandanja amin`ny vidim-piainana ankehitriny ny karama raisina isam-bolana. Ny mpampiasa dia mitaky asa mendrika fa ny mpiasa kosa ny zony, ny fanabeazana ary fandraisana an-tanana azy sy ny olany no ilany fitsinjovana.
Ara-tantara, ny fankalazana ny asa vitan'ilay olona mpiasa no tena nasandratra tany amin'ny taonjato faha-18 tany. Raha fitakiana ny hampidinana ny ora fiasana ho adiny 8 isan’andro no niandohan’ny hetsik’ireo mpiasa tamin’ireo orinasa amerikanina maro tamin’ny faramparan’ny taon-jato faha-19, izay nanao fitokonana faobe tamin’ny andron’ny 1 mey 1886 dia toa mifanohitra amin’izany tanteraka ny zava-misy eto amintsika amin’ny ankapobeny. Saika fanitarana ora fiasana mantsy no hita teto an-drenivohitr’i Madagasikara ho an’ireo tanora Malagasy miasa amin’ny Karana sy Sinoa ary be ireo mitaraina fa tsy mahazo ny tambiny akory ao anatin’izany. Ireo eny amin’ny orinasa afaka haba indray dia ireo mpiasa mihitsy matetika no mitady fanampin’ora hiasana sitrany ahay vaza-mihetsika amin’izao vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra izao. Raha ny marina dia tokony ho nanomboka ny talata 01 mey ny fitakian’ny mpiasa Malagasy tsy an-kanavaka ny fampiakarana karama mba hifanahantsahana amin’ny karaman’ireo tompon’andraiki-panjakana ambony efa tsy takatry ny saina ny haavon’ny azy ireo.
Tsy voahaja ny zon`ny mpiasa
Na dia efa natao andro tsy iasana tokony hanaovan'ny mpiasa ny fitakiana any anatiny any aza ny 01 mey dia mbola maro ireo orinasa, manaja ny lalàna velona eto Madagasikara, no tsy miraharaha fa mampiasa ny mpikarama ao aminy ho toy ny andro andavanandro ihany. Misy ireo miasa tsy mahazo tambin-karama, satria hoe efa mipetraka ao anatin'ny fifanarahan'asa fa tsy mahazo tambin-karama intsony.
Maro amin'ireo mpikarama no miasa ora maharitra sy mihoatra ny 40 ora isan-kerinandro ka tsy mandray ny tambiny, mifanaraka amin'ny lalàna napetraka, avy amin'ny andro tsy tokony hiasany nefa voatery miasa izy. Efa mipetraka anaty lalàna arakaraka ny karaman'ilay mpiasa ny vidin'ny ora iray mihoatra amin'ny ora tokony hiasany. Misy ora maro no iasan'ilay mpikarama, kanefa dia ampahatelony na ampahefany na ampahadimin'ny tambin-karama tokony horaisiny ihany no omena azy. Misy indray dia efa fantatra ny ora mihoatra iasany isam-bolana dia efa apetraka hoe vola raikitra sy tsy miova izao isam-bolana ihany no azony na ora firy na ora firy no mihoatra amin'ny andro iasany. Tsy fantatra na mifanaraka amin'ny lalàna sosialy izany na tsia fa dia misy ireo tranga ireo.
Sendikà aron`ny mpiasa
Tsy mpisolovava ny sendikà, tsy ray aman-dreny velively ihany koa, fa fikambanana natsangan’ny mpiasa iray asa, iray trano fiasana, iray fileovana, iray firenena, natao hiarovana io asa sy karama io, izany hoe ireo mpiasa miara-manangana fikambanana atao hoe sendikà ary miaraka ho tompon’andraikitra ny rehetra. Io fikambanana sendika io no eken’ny Fifanarahana Iraisampirenena momba ny Asa laharana faha-87 sy faha-98 izay nosoavin’ny Fanjakana Malagasy no hany fikambanan’ny mpiasa manan-jo hitondra ny feony, hisolotena ary hiaro azy. Ankoatra ny lalàna malagasy dia ireo fifanarahana Iraisam-pirenena ireo no mamela sy miaro ny mpiasa hanana zo hanangana sy hiditra sendika izay tiany manerana an’i Madagasikara.
Asa tsy mahavelona
Niara-nanamarika sy nifanohana noho ny fetin`ny asa ireo sendikà maro tetsy amin`ny kianja 13 mey, ny 1 mey lasa teo. Maro ireo fitakiana nandritra ny hetsika. Nohitsian`ireo mpiasa teny an-toerana fa mihoa-pampana ny fandaniam-bolam-panjakana ka mahatonga ny karama kely. Mitaky karama mahavelona sy fiainana mendrika izy ireo antony hanohanany ny tolona ho an`ny fanovana. Tsy mifanaraka amin`ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra ny karama eto Madagasikara. Maro ny fanaovana herisetra eny amin`ny toeram-piasana, indrindra ny vehivavy. Eo ihany koa ny fampihorohoroana ny mpiasa mitaky ny zony sy ny fanaovana kolikoly mandany volam-bahoaka. Mazava ny hafatra tian`ireo mpiasa sy sendikà nampitaina ary tsy azo iadian-kevitra ny fahamarinany satria ny asa ihany no hahafahana mampandroso. Raha tsy miasa dia tsy mamokatra ary raha tsy misy ny vokatra, tsy misy ny fampandrosoana. Ny olona tsy an’asa no mahantra satria tsy mandray karama dia tsy manam-bola. Ireny tsy an’asa ireny ihany koa no manamaro isa ny mpanao ratsy. Raha noana mantsy ny kibo, mivezivezy ny fanahy ka maro ireo voasarika hangalatra noho ny tsy fisiana. Laharam-pahamehana ankehitriny ho an`ny Malagasy ny hahazoan`ny tsirairay avy karama mahavelona Mila fanavaozana ifotony eny anivon’ireny mpiasam-panjakana na koa ireny orinasa tsy miankina ireny izay heverina fa hitarika ho any amin’ny fampandrosoana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.