Toekarena

Sehatra harena ankibon’ny tany Maro ny olana tokony hovahana


  • Alarobia 04 Aprily 2018

Fototry ny tsy fandrosoan’ny firenena ny firafitra izay miankin-doha betsaka amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany mitodika amin’ny fanondranana any ivelany.

 

 Raha eto Madagasikara dia  mahazo vahana tanteraka ny vahiny toy ny srilankais sy ny thailandais amin’ny fitrandrahana madinika (petites mines). Tsy mbola nisy Malagasy mpandavaka avy any Betsiaka na Ilakaka, ohatra, ka afaka nijoro vavolombelona ho lasa nanankarena ny amin’ny fitrandrahana nataony. Betsaka aza ireo matimaty foana sy tsy fantatra mazava satria matetika koa dia olona tsy manana kopia sy kara-panondro no manao ilay asa. Ireo mpiasa madinika no mitsemboka kanefa ny vahiny hatrany no mitavana sy migoka ny vokatry ny fitrandrahana. Amin’ny sehatra fampiofanana, mba misy ihany ny toeram-panofanana momba ny fikirakirana ny vato sarobidy sy volamena (IGM) fa vitsy ny Malagasy afaka mianatra noho ny fidanganan’ny saram-pianarana. Raha ny tokony ho izy anefa dia maro no tokony hisitraka izany eto Madagasikara . Ilaina ny fampianarana ny Malagasy maro hiasa ny vato misy eto mba tena ho tsara vidy rehefa mahazo tsena. Olana ihany koa ny fahazoan-dalana amin’ny fitrandrahana, indrindra ireo nozaraina tamin’ny tetezamita satria tamin’izany dia tsy nanana fahafahana hamoaka fahazoan-dalana ny governemanta. 70 be izao anefa no fahazoan-dalana nomena tamin’izany. Amin’izao fotoana dia misy ny fahazoan-dalana ekena amin’ireo ary  misy no tsy ekena sy nofoanana mihitsy. Miteraka sakana ireny ka tsy mampivelatra ny sehatra harena ankibon’ny tany. Afaka mitondra akony tsara amin’ny toekarena Malagasy io sehatra io raha misy fandraisan’andrakitra matotra.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT