Fototry ny tsy fandrosoan’ny firenena ny firafitra izay miankin-doha betsaka amin’ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany mitodika amin’ny fanondranana any ivelany.
Raha eto Madagasikara dia mahazo vahana tanteraka ny vahiny toy ny srilankais sy ny thailandais amin’ny fitrandrahana madinika (petites mines). Tsy mbola nisy Malagasy mpandavaka avy any Betsiaka na Ilakaka, ohatra, ka afaka nijoro vavolombelona ho lasa nanankarena ny amin’ny fitrandrahana nataony. Betsaka aza ireo matimaty foana sy tsy fantatra mazava satria matetika koa dia olona tsy manana kopia sy kara-panondro no manao ilay asa. Ireo mpiasa madinika no mitsemboka kanefa ny vahiny hatrany no mitavana sy migoka ny vokatry ny fitrandrahana. Amin’ny sehatra fampiofanana, mba misy ihany ny toeram-panofanana momba ny fikirakirana ny vato sarobidy sy volamena (IGM) fa vitsy ny Malagasy afaka mianatra noho ny fidanganan’ny saram-pianarana. Raha ny tokony ho izy anefa dia maro no tokony hisitraka izany eto Madagasikara . Ilaina ny fampianarana ny Malagasy maro hiasa ny vato misy eto mba tena ho tsara vidy rehefa mahazo tsena. Olana ihany koa ny fahazoan-dalana amin’ny fitrandrahana, indrindra ireo nozaraina tamin’ny tetezamita satria tamin’izany dia tsy nanana fahafahana hamoaka fahazoan-dalana ny governemanta. 70 be izao anefa no fahazoan-dalana nomena tamin’izany. Amin’izao fotoana dia misy ny fahazoan-dalana ekena amin’ireo ary misy no tsy ekena sy nofoanana mihitsy. Miteraka sakana ireny ka tsy mampivelatra ny sehatra harena ankibon’ny tany. Afaka mitondra akony tsara amin’ny toekarena Malagasy io sehatra io raha misy fandraisan’andrakitra matotra.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.