Ny vola dolara no mitana ny toerana voalohany amin’ny fifanakalozana atao maneran-tany. Izy no vola manan-danja indrindra satria saika mampiasa azy daholo ny firenena rehetra amin’ny sehatra fifanakalozana ara-barotra ary efa mipetraka tanteraka eo amin’ny rafitra ara-bola manerana izao tontolo izao izany.
Tamin’ny taona 1945 tamin’ny fiafaran’ny ady lehibe faharoa dia nosiniavina ny fifanarahan’ny Bretton Woods tamin’ny fitadiavana fahamarinan-toeran’ny fifanakalozana mba ho fiaingan’ny toekarena sy ny filaminana. Tamin’izany no nilazana fa ny vola dolara ihany no azo atakalo volamena ary izay firenena manana betsaka io vola io dia sokajiana ho matanjaka. Raha tsiahivina, ny Banky Foibe Amerikanina ihany tamin’izany no manan-jo hamorona sy hanao printy ny vola dolara. Nanomboka tamin’izay dia lasa tahaka ny fitaovam-piadiana mihitsy ny vola amerikanina satria manankarena amin’ny lafiny rehetra ireo firenena manana dolara. Amin’izao fotoana izao dia misy ny fahirano ataon’ny Amerikana amin’ny Iran ary mandrahona hanasazy ireo firenena manatanteraka fifanakalozana ara-barotra amin’I Iran mihitsy izy ireo. Iaraha-mahalala anefa fa I Iran no firenena fahatelo manana sy mpamatsy petrola ho an’izao tontolo izao. Maro araka izany ireo firenena matanjaka mandray ny fanapahan-kevitry ny amerikana nefa tsy manary ny fifandraisana amin’io firenena mpamatsy solika io ihany koa. India izao dia mandoa sy mividy ny solika amin’ny vola Ropia ary manafatra entana any aminy Iran ho takalon’izany ka tsy mampiasa vola dolara mihitsy amin’izany rehetra izany. Raha mitohy ny politika ekonomika ataon’ny Amerikana amin’izao izay mirona mankany amin’ny fikatonana (protectionnisme) kokoa dia ho simba hatrany ny fifandraisany manerantany ary afaka 5 na 10 taona dia mety hisy ny tsy fironan’ny firenena manerana izao tontolo izao intsony amin’ny vola dolara (dédollarisation).
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.