4537,8 euros ny sandan’ny ariary omaly, ka isan’ny anton’io ny fanafarantsika entana avy any ivelany, toy ny vary zarain’ny fanjakana, raha ny fanehoan-kevitry ny mpahaiary Hugues Rajaonson.
Matetika ny olana politika, dia ireo olona aty an-drenivohitra afaka manongam-panjakana no manjifa ilay zavatra izay hafarana. Sarotra be ilay ka sahy ve ny fanjakana hiteny hoe tsy matahotra ireo olona izay manongana ireo ka tsy hanafatra sy tsy manaiky ny hanafarana ilay entana intsony? Hoy izy. Fahasahiana politika izany. 75% amin’ny entana jifaina eto an-dRenivohitra dia entana nafarana avy any ivelany daholo tahaka ireny amin’ny “Grande surface” ireny izay betsaka ny olona manjifa izany. Voatery tsy maintsy manafatra noho izany. Tsy ho ela dia ho tafiakatra 5000Ar ny sandan’ny ariary, ary ireo vola vahiny fanampiana tonga eto, dia lasa miverina any aminy avokoa. Misy lafiny tsara ny fitotongan’ny ariary mba hamporisika ny olona hanjifa ny ato anatiny. Atao ihany koa ny hahatonga ny orinasa hanondrana, izany hoe ireo orinasa no tokony homena vola hahafahany mamokatra sy manondrana hahafahana mampiakatra ny sandan’ny ariary. Raha hiandry ny mpamatsy vola dia eto isika no horaisina eto. Amin’ny lafiny iray, voatery tsy maintsy manjifa ny eto an-toerana rehefa miakatra be ny sandan’ny euro sy ny dolara, ka tsy mampaninona na miakatra 2 hetsy aza ny dolara iray, ka havela any mba tsy hamelomana intsony ny indostria any ivelany, fa ny eto Madagasikara no hampiroboroboana ary jifaina sy haondrana, hoy i Hugues Rajaonson.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.