Napetraky ny filoham-pirenena tamin’ny didy hitsivolana lah. 2019-015 farany teo ny lalàna mahakasika ny fanenjehana na ny famerenana ny harena sy ny tombontsoa azo avy amin’ny tsy ara-dalàna”, hoy Imbiky Herilaza, mpahay lalàna.
Zava-dehibe io lalàna io amin’ny firenena, hoy izy, satria fantatra na dia voaongotra ilay olona nanao ny tsy nety amin’ny fanodinkodinam-bolam-panjakana, fahazoana amin’ny famotsiam-bola… dia tsy misy ny fahafahana manageja mandritra ny fotoana hanaovana fitsirihana, indrindra mamerina izany eo anivon’ny kitapom-bolam-panjakana ireny vola azo amin’ny fanodinkodinam-bola na kolikoly. Mahakasika ireo fanadihadiana atao amin`ilay olona voalaza fa manao kolikoly dia miankina amin`ny fidiram-bolan’ny olona no hitondrana ny fitsirihana. Ny mpiasam-panjakana mahafantatra ny kara-panjakana sy ireo tambiny. Raha mpandraharaha dia tsy maintsy hisy fanambarana “déclaration de revenus” na koa bilan apetrak’ireo orinasa eny amin’ireo sampandraharaha maro samihafa. Raha tsy mifanaraka amin’ny fiainany ny zavatra hananany na vidiany na koa vola kirakiraina dia heverina fa tsy mazava ny vola miditra, hoy hatrany ity mpanao lalàna ity. Nametraka ho laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Tsy ny zava-nitranga teo aloha ihany ny ady amin’ny kolikoly atao fa ny zava-misy ankehitriny. Omaly no nankalazaina ny andro afrikanina momba ny ady amin`ny kolikoly ka nanatanteraka latabatra boribory ireo mpisehatra rehetra tetsy amin`ny minisiteran`ny raharaham-bahiny. Voadinika tamin`izany avokoa ny pitsopitson`ireo lalàna mifandraika amin`ny kolikoly : lalàna lah. 2016-020 momba ny ady amin`ny kolikoly, lah. 2018-043 izay mifehy ny famotsiam-bola sy famatsiana asa fampihorohoroana, lah. 2014-005 izay mahakasika ny ady amin`ny “criminalité transnationale organisée” ary ny lalàna 2017-027 momba ny fifandraisana iraisam-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.