Toekarena

Fifandraisana ara-barotra maneran-tany Tsy mahomby i Madagasikara


  • Alatsinainy 05 Martsa 2018

Tsy mitoka-monina Madagasikara fa mifandray amin’ireo firenena avy any ivelany.

 

 Maro ny fifanarahana nosoniavina tamin’ireo firenena matanjaka raha tsy hiteny fotsiny ny tamin’ny Amerikanina sy Frantsa. Efa manomboka mahazo vahana tanteraka ihany koa ny fifandraisana amin’i Sina. Tsy mbola tafavoaka anefa ny Malagasy fa mainka mihamahazo vahana ny fahantrana. Mahazo tombony hatrany ny firenena manankarena indrindra moa ireo firenena matanjaka mifehy ny tsena iraisam-pirenena toa an’i Amerika, eoropa, Sina sy Japon. Tsy maintsy mijery hatrany ny tombontsoany aloha ireny firenena matanjaka ireny alohan’ny irosoany amin’izay mety ho fifanarahana. Eo no mipetraka ny olana satria na ny fanapahan-kevitra raisina itondrana izay mety ho tetikasa aza dia tsy maintsy misy takalony avokoa ary izy no manao ny soso-kevitra arahana. Raha tsy hiresaka fotsiny isika ny amin’ny fanalalahan’ny fifanakalozana (libéralisation des échanges), tsy mahazo tombony betsaka amin’izany Madagasikara noho ny kalitao ambany ananany izay ateraky ny tsy fahampiana ara-kevitra sy olona (main d’oeuvre) ahafahana mahazo tsena tsara rehefa manao fanondranana. Izany moa dia taratry ny tsy fahampiana amin’ny lafiny fampiofanana sy na fanabeazana ankapobeny mihitsy. Ny firenena izay afaka mametraka ny mahaizy azy amin’ny tsena iraisam-pirenena dia ireo izay manana fanabeazana (système éducatif), fotodrafitrasa, tsy tsenan’asa mandroso. Manaraka izany, ankoatra ny tsy fahaiza-mitantana, dia lesoka ihany koa ny politika enti-miatrika ny tontolon’ny fifandraisana maneran-tany indrindra ny amin’ny lafiny varotra. Tany Zambia, ohatra, dia nohamoraina tanteraka ny fahafahan’ny mpamboly miditra amin’ny findramam-bola ary tena nampandroso azy ireo izany. Eto amintsika kosa ny fandraisana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny fampandrosoana dia tsy misy fa resaka ambony latabatra fotsiny ihany aloha no mibahan-toerana.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Bambou eto Madagasikara
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Seha-pihariana mbola malalaka saingy

  • Orinasa KRAOMA
  • Talata 22 Septambra 2026

Vonona hiara-miasa sy

  • Ralaiarimanana
  • Alakamisy 10 Septambra 2026

«Mila tsy miankin-doha intsony i Madagasikara»

  • Fitantanana
  • Alarobia 09 Septambra 2026

sy fampisambolam-panjakana

  • Kraomita malagasy
  • Talata 08 Septambra 2026

Misokatra amin'ny

Hijery ny tohiny
FTT