Tsy mitoka-monina Madagasikara fa mifandray amin’ireo firenena avy any ivelany.
Maro ny fifanarahana nosoniavina tamin’ireo firenena matanjaka raha tsy hiteny fotsiny ny tamin’ny Amerikanina sy Frantsa. Efa manomboka mahazo vahana tanteraka ihany koa ny fifandraisana amin’i Sina. Tsy mbola tafavoaka anefa ny Malagasy fa mainka mihamahazo vahana ny fahantrana. Mahazo tombony hatrany ny firenena manankarena indrindra moa ireo firenena matanjaka mifehy ny tsena iraisam-pirenena toa an’i Amerika, eoropa, Sina sy Japon. Tsy maintsy mijery hatrany ny tombontsoany aloha ireny firenena matanjaka ireny alohan’ny irosoany amin’izay mety ho fifanarahana. Eo no mipetraka ny olana satria na ny fanapahan-kevitra raisina itondrana izay mety ho tetikasa aza dia tsy maintsy misy takalony avokoa ary izy no manao ny soso-kevitra arahana. Raha tsy hiresaka fotsiny isika ny amin’ny fanalalahan’ny fifanakalozana (libéralisation des échanges), tsy mahazo tombony betsaka amin’izany Madagasikara noho ny kalitao ambany ananany izay ateraky ny tsy fahampiana ara-kevitra sy olona (main d’oeuvre) ahafahana mahazo tsena tsara rehefa manao fanondranana. Izany moa dia taratry ny tsy fahampiana amin’ny lafiny fampiofanana sy na fanabeazana ankapobeny mihitsy. Ny firenena izay afaka mametraka ny mahaizy azy amin’ny tsena iraisam-pirenena dia ireo izay manana fanabeazana (système éducatif), fotodrafitrasa, tsy tsenan’asa mandroso. Manaraka izany, ankoatra ny tsy fahaiza-mitantana, dia lesoka ihany koa ny politika enti-miatrika ny tontolon’ny fifandraisana maneran-tany indrindra ny amin’ny lafiny varotra. Tany Zambia, ohatra, dia nohamoraina tanteraka ny fahafahan’ny mpamboly miditra amin’ny findramam-bola ary tena nampandroso azy ireo izany. Eto amintsika kosa ny fandraisana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny fampandrosoana dia tsy misy fa resaka ambony latabatra fotsiny ihany aloha no mibahan-toerana.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.