Manome 40% amin’ny harinkarena faobe (PIB) ny sehatra Fambolena-fiompiana ary jono izay hiainan’ny 80%-n’ny Malagasy.
Raha ny fidirana amin’ny fandraharahana amin’ny fambolena (agribusiness) fotsiny dia efa hampivoatra haingana be ny tontolo ambanivohitra ary hahazoan’ireo tantsaha tombony. Olana amin’izao anefa ny fahavitsian’ny teknisiana manampy sy manoro, mampita ny fahaizana sy ny traikefa ary ny tombony be azo amin’io sehatra io. Rariny raha mahatratra hatrany amin’ny 80% ny fanafarana ataon’i Madagasikara amin’ny filàna ara-bary, siramamy ary menaka fihinana noho ny tsy fifehezana ny agri-business. Ankoatr’izay dia tsy misy ihany koa ny fampianarana na fampiofanana mazava omena ny tantsaha ary ny ankamaroany aza moa dia tsy mahafantatra akory ny fisiana sy ny dikan’izany. Raha mahakasika ny sehatra fanondranana fotsiny izao ohatra dia ny firenena Malagasy no lohalisitra maneran-tany amin’ny jirofo sy lavanila, faharoa amin’ny letsia sy ny menaka manitra ylang-ylang. Tokony hotrandrahina faran’izay azo atao izany saingy maro ny tantsaha sy mpandraharaha mionona fotsiny amin’ny fahazarana sy ny asa fanao efa tsy mivoatra isan-taona. Eo ihany izao ohatra ny kakao sy ny makamba avy aty Madagasikara izay tena ambony sy tsara kalitao ary mampiaiky ny firenena any ivelany. Amin’io fandraharahana io no ahafahana manome sehatra hampandrosoana ny fambolena sy ny fiompiana atao ary mipaka mihitsy amin’ny vola miditra amin’ny tantsaha sy ny fanjakana izany hahatsara ny toekarena. Vahaolana maika aloha ny tokony hidiran’ny sehatra tsy miankina handray anjara amin’ny fampiroboroboana ny sehatra agri-business. Mifampiankina sy misy fifampitohizana mantsy ny sehatra fambolena sy ny fandraisan’anjaran’ny sehatra tsy miankina amin’io fandraharahana atao io. Na izany aza dia tena ilaina ihany koa ny fandraisan’anjaran’ny fanjakana ny amin’ny ezaka fanatsarana ny fotodrafitrasa sy ny fandriampahalemana miampy ny fanomezana fiofanana ho an’ireo tantsaha maro an’isa.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.