Toekarena

Fandoavan-ketra Tsy marisika firy ny Malagasy


  • Talata 01 Septambra 2020

4029 miliara ariary ny hetra tratrarina hiditra amin’ity taona ity raha toa ka 3173 miliara Ariary no azo ny taona 2019 raha ny voafaritra eo anivon` ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana taoana 2020.

 

 

 

 Na dia eo aza ny valanaretina “coronavirus” dia tsy miova ny paikadin` ny fanjakana fa dia hahemotra fotsiny fe-potoana handovan` ireo orinasa izany. Raha tsiahivina dia voarakitra ao anatin` izany tetibola izany fa nahena ho 10% ny hetra alaina amin’ny tombombarotra amin’ny lafiny fahasalamana sy ny fanabeazana raha toa ka 20% izany teo aloha eo amin` ny hetsika ara-tsosialy. Voakasika izany avokoa ireo sekoly sy toby fitsaboana rehetra tsy miankina. Nofoanana ihany koa ny fakan-ketra amin’ny taratasy fandovana (droit de succession) sy ny taratasy fizarana (droit de partage). Momba ny tsenabarom-panjakana dia ny 92% no an’ny olona mahazo ny tsena ary ny 8% ambiny izany no hetra aloany. Na izany aza dia mbola mipetraka daholo ireo adidy ara-ketra (obligations fiscales). Ain-dehiben’ny toekarena ny fandraharahana ara-dalàna ary ny fahavitsiany rahateo no mamparefo ny toekaren’ny firenena. Sakana ho an’ny firoboroboan’ny toekarena anefa ny hetra sy ny fampiarana ny fakàna hetra. Malaina ny Malagasy mandoa hetra ka mbola ambany hatrany ny tahan’ny fampidiran-ketra izay manome 7,91% monja amin’ny mponina miasa. Miisa 378 000 monja ireo mpandoa hetra raha tokony efa hananika ny 980 000 izany amin’izao fotoana izao.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT