Toekarena

Fanarenana ny toekarena “Tsy tokony omena tombony ny banky”


  • Alakamisy 14 Mey 2020

92%n` ny Malagasy dia mandray latsaky ny 250 dolara isam-bolana. Ireo firenena niray laharana tamin`i Madagasikara anefa dia niala amin`ny fahantrana (pays émergents).

 

Fahantrana ara-bola no tena misy eto amin` ny firenena, hoy Rakoto David, filohan` ny CREM (Centre de réflexion des économistes de Madagascar). Mila mamorona vola ny banky foiben'i Madagasikara (BFM) ary alefa amin` ireo sehatra tsy miankina izany. Ny fototry ny famokarana mantsy dia ny sehatra tsy miankina. Raha ny fantatra dia 40 miliara ariary no nalefa tany amin`ny sehatra tsy miankina. Ampaham-bola azo tamin` ny fanampiana avy amin` ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) izay nitentina 166 tapitrisa dolara izany. “Olana mipetraka dia 5% ny zana-bola alain`ny BFM ary nalefa any amin` ireo banky fototra (primaires) izany vola izany ka ireto farany no mivarotra indray amin`ny sehatra tsy miankina ka maka zana-bola hatramin` ny 9%. Noho izany, mahazo tombony 4% ireo banky ara-barotra. Tsara kokoa no mandefa ny vola azo eny amin` ny “trésor public” ka ireo no manao fiaraha-miasa amin`ny alalan` ny 3P (Partenariat-Public-Privé). Raha tsy voafehy ny fahantrana dia hiteraka korontana ara-politika sy sosialy izany. Mila manangana bankim-panjakana (Banque d`Etat)”, hoy ny filohan`ny CREM. Mila havaozina ny lalàna ny banky sy izay mifehy ny banky foibe mba tsy ireo banky tsy miankina no hibahana ny tsenan` ny vola. Tanjona dia hamokatra ny Malagasy ka hiteraka fanjifàna anatiny (consommation intérieure), hampidina vidin-entana, hampiakatra famokarana ary mitarika amin`ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, hoy hatrany izy. Namafisiny hatrany fa mila drafitra ara-bola no hahafahana manatanteraka izany fa tsy ny banky no omena tombony.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Toekarena

  • Hetsika « MUSTIS »
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

iraisan’i Madagasikara-Etazonia

  • Fampandrosoana ny firenena
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Mila fanavaozana goavana

  • Fitrandrahana harena
  • Talata 14 Aprily 2026

an-kibon’ny tany

  • Fampandrosoana an’i Madagasikara
  • Talata 07 Aprily 2026

Tsy afa-miala amin’ny fanovàna

  • Trosa ivelan'i Madagasikara
  • Talata 31 Martsa 2026

Fifanarahana 13 nitrosana

  • Fisitrahana ny FEC sy FRD
  • Talata 31 Martsa 2026

Tonga manao fitsirihana eto indray ny iraky ny FMI

Hijery ny tohiny
FTT