92%n` ny Malagasy dia mandray latsaky ny 250 dolara isam-bolana. Ireo firenena niray laharana tamin`i Madagasikara anefa dia niala amin`ny fahantrana (pays émergents).
Fahantrana ara-bola no tena misy eto amin` ny firenena, hoy Rakoto David, filohan` ny CREM (Centre de réflexion des économistes de Madagascar). Mila mamorona vola ny banky foiben'i Madagasikara (BFM) ary alefa amin` ireo sehatra tsy miankina izany. Ny fototry ny famokarana mantsy dia ny sehatra tsy miankina. Raha ny fantatra dia 40 miliara ariary no nalefa tany amin`ny sehatra tsy miankina. Ampaham-bola azo tamin` ny fanampiana avy amin` ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) izay nitentina 166 tapitrisa dolara izany. “Olana mipetraka dia 5% ny zana-bola alain`ny BFM ary nalefa any amin` ireo banky fototra (primaires) izany vola izany ka ireto farany no mivarotra indray amin`ny sehatra tsy miankina ka maka zana-bola hatramin` ny 9%. Noho izany, mahazo tombony 4% ireo banky ara-barotra. Tsara kokoa no mandefa ny vola azo eny amin` ny “trésor public” ka ireo no manao fiaraha-miasa amin`ny alalan` ny 3P (Partenariat-Public-Privé). Raha tsy voafehy ny fahantrana dia hiteraka korontana ara-politika sy sosialy izany. Mila manangana bankim-panjakana (Banque d`Etat)”, hoy ny filohan`ny CREM. Mila havaozina ny lalàna ny banky sy izay mifehy ny banky foibe mba tsy ireo banky tsy miankina no hibahana ny tsenan` ny vola. Tanjona dia hamokatra ny Malagasy ka hiteraka fanjifàna anatiny (consommation intérieure), hampidina vidin-entana, hampiakatra famokarana ary mitarika amin`ny fahaleovan-tena ara-tsakafo, hoy hatrany izy. Namafisiny hatrany fa mila drafitra ara-bola no hahafahana manatanteraka izany fa tsy ny banky no omena tombony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.