Tena mihazakazaka tato anatin'ny 10 taona izao ny fanotorana tany eto Antananarivo sy ny manodidina. Tahaka.izany koa ny famaritana velaran-tany goavambe eny hatramin'ny torapasika sy moron-dranomasina any amin'ny faritra maro.
Rehefa natao ny fanadihadiana dia ny vahiny no tena manao izany hananganana orinasa, trano, hotely. toeram-pitrandrahana, toeram-pambolena, fiompiana trondro, makamba... ka ireo karana, Frantsay Italiana, Sinoa no tena betsaka. Etsy ankilan'izay dia milendalenda, mitsiriritra sy mangetaheta ambony lakana fotsiny ireo mpandraharaha malagasy maro an'isa fa sahirana na dia handoa hifantrano misy ny orinasa sy ny saran'ny jirama aza; ny fandoavana karaman'ny mpiasa mampitaintaina isam-bolana. Misy mpandraharaha tena manambola saingy tsy tafavoaka fa nahoana? Hoy ny vazaha matetika hoe ny mpandraharaha Malagasy dia kanosa , tsy sahy miady na koa “vous n'etes pas agressifs en business”. Dia izay tokoa ve sa tena mbola tarazon'ilay tia kely sy mora mionona? Tsy misy mampionona aza mionona ihany, mainka moa fa misy anareo mankahery hoy ny firesaka izay. Malagasy daholo no mpiasan'ny fananantany, fandrefesantany, fitsarana kaominina ministera, ka nahoana no tsy mahay mifanaja sy mifampiresaka ny samy Malagasy fa ny vahiny no tafasandratra? Ny valiny dia milingilingy manao politika ny ankamaroan'ny mpandraharaha malagasy dia taraiky avy eo na diso kajy. Lasa manam-pahavalo teratany malagasy mitovy aminy sy vahiny satria nahatsiaro ireo fa tratry ny tsindry bokona sy fanaparam-pahefana. Eo ihany koa ny hoe tsy ampy fahasahiana ary tena mbola miraikitra ao an-doha ny fianarana na fiofanana natao tany ivelany.Tsy vitan'.ny Malagasy maro mihitsy ny mandresy ilay antsoina hoe “Syndrôme du colonisé”. Etsy ankilan` izay koa anefa mbola tsy mafy any anaty fifampiraharahana ary farany kanefa mety lehibe indrindra dia tsy ampy fitiavan-tanindrazana fa kosa rakotry ny fitiavan-tena
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.