Vitsy dia vitsy ny Malagasy mampiasa ny vokatra vita eto Madagasikara mihoatra noho ireo hafarana avy any ivelany. Antony iray tsy hivelaran’ny orinasa Malagasy io.
Ireo vokatra hafarana ireo mantsy ilay lazaina fa tsara kalitao ary manome sary ratsy hatrany ny Vita Malagasy. Lafo vidy anefa ireny vokatra ireny satria mbola mandalo fadin-tseranana ary misy ny haba aloa. Mampiahiahy ny fiaviany sady mety hiteraka olana ara-pahasalamana raha sanatria mbola mora vidy noho ny vita Malagasy ireny vokatra hafarana ireny, hoy ny tompon’ny orinasa manao vokatra tena 100% Malagasy iray. Ankoatra izay dia olana iray lehibe izay tokony hodinganina amin’izay ilay fiheverana fa ratsy foana ny vita Malagasy. Maro tokoa mantsy ny Malagasy manana sary miiba hatrany ny amin’ny vokatra vita eto Madagasikara. Io ilay hoe valalan’alika ka na ny tompony aza tsy tia. Ahoana no hanjifan’ny hafa ny vokatra vita Malagasy raha isika aza tsy manome lanja azy ? Sakana ihany koa aloha ny tsy fananana olona (capital humain) izay harena fototra mampandroso haingana ny toekarena. 30% ihany no mianatra eto Madagasikara araka ny tatitry ny UNICEF. Betsaka ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra akory. Maro anefa ny vokatra ara-boajanahary izay tsy misy any amin’ny firenena hafa tokony hotrandrahan’ny Malagasy ary hampandroso haingana ny tsena anatiny. Fa ny lehibe indrindra dia ny tokony hanomezana tombony hatrany ny vokatra vita Malagasy mba hahafahany mifaninana tsara. Tokony hahena, ohatra, ny hetra alaina amin’ny vokatra vita eto. Eo amin’ny lafiny fanondranana indray dia mila jerena ny fanamorana eny amin’ny fadin-tseranana mahakasika ny entana Vita Malagasy. Ilana fandraisan’andraikitry ny fanjakana izay manentsin-tadiny sy variana amin’ny fitadiavan-tseza fotsiny izany.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.