Ny zavatra tokony ho fantatsika dia tsy misy hidiran’ny resaka politika izany fa fampitahana amin’ny maha. Nanomboka ny 2013 hatramin’ny 2018 dia nanomboka tamin’ny 1 000 000 Ar hatramin’ny 3 600 000 Ar ny vidin’ny lavanila, ary lasa manomboka 180 000 Ar hatramin’ny 280 000 Ar monja izy ny taona 2019.
Tsisy hidiran’ny politika izany, fa amin’ny maha olombelona ny tantsaha dia mampitaha izy, hoy ny depiote Jack tamina fahitalavitra iray omaly. Sahiko ny miteny fa tao anatin’ny 15 taona dia tsy mbola nitotongana tahaka an’io ny vidin’ny lavanila, hoy io olom-boafidy io. Antony iray ny famerana ny vidiny ho 250 dolara nataon’ny fanjakana kanefa isika miaina anaty fahalalahana ara-barotra. Io no mampatahotra handeha hividy lavanila, ary raha vao miala io dia hisy fiakarany kely, hoy izy. Antony hafa ny mpandraharaha mpiray petsapetsa amin’ny fanjakana ary tena zava-misy izany, hoy izy, hany ka ilay tena mpandraharaha lavanila any an-toerana no tratry ny ankilabao. Miha mahantra hatrany vahoaka any amin’ny Faritra Sava. Miha maro isan’andro ny olona endahin’ny banky, tsy mahaverim-bola,... Mba jereo io, fa tena mijaly ny tantsaha any amin’ny faritra misy lavanila, hoy ity solombavambahoaka ity nanao antso avo amin’ny Fanjakana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.