Sport

Razakarisoa Tita Mampivelatra saina ny fanatanjahantena


  • Sabotsy 17 Martsa 2018

Hiverina eo amin’ny taranja tsipy kanetibe indray isika anio eto amin’ity pejin’ny Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana ity ka ny iray tamin’izy efa-dahy


nandrombaka ny anaram-boninahitra eran-tany teo amin’ity taranja ity teto amintsika tamin’ny taona 2016 no ho vahiny amin’izany dia Razakarisoa Tita ilay niaraka tamin’Andrianina Nanou, Razafimahatratra Hery ary Rakotondrazafy Lovaranja.

 

Efa ho 15 taona katroka izao no niangalian-dRazakarisoa Tita ny taranja tsipy kanetibe ka ankoatra io nisalorany ny anaram-boninahitra tompondaka eran-tany io dia efa tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny olon-telo miaraka indroa koa izay tamin’ny taona 1995 sy tamin’ny 2003. Efa nandrombaka ihany koa ny amboaran’i Madagasikara teo amin’ny tsipy kanetibe ihany mazava loatra in-droa ihany koa (1995 sy 1997). Efa nandrombaka ihany koa ny tompondakan’ny tsipy kanetibe teto Antananarivo.

 

Nitety an’i Eoropa

Manambady ary manan-janaka roa vavy i Tita izay tsy mankafy loatra ny taranja tsipy kanetibe fa mirona kosa amin’ny taranjam-panatanjahantena hafa ka hanosehan-drainy azy fatratra. « Tiako ny tsipy kanetibe, hoy i Tita fa tsy hanariako ny asa fivelomana an-davanandro. Nahitako tany maro dia maro ny filalaovana an’ity tsipy kanetibe ity , tany eoropa dia France, Espagne, Italie, Monaco, Danemark, Suisse, Belgique, Allemagne. Tany La Réunion ihany koa izay efa nahazoako ny tompondakan’ny Grand Tournoi St Pierre. Efa nijanona nilalao tany Frantsa nandritra ny 5 taona aza ny tenako saingy tsy nahafoy an’i Gasikara dia niverina rehefa tapitra ny fe-potoana nifanarahana. Izao aho izao dia mbola voaantso indray hanampy ny ekipa misy an’i Cock’lé sy Lahatra ary i Tonner izay hiatrika ny Tournoi Masters 2018 hatao any Frantsa amin’ny volana jona ho avy izao. Ilay nahazoana ny anaram-boninahitra tompondaka eran-tany tamin’ny taona 2016 iny dia tantara hijanona ary tsy ho hay kosehana ho ahy ary mbola mitohy tsy misy disadisa hatramin’izao ny fiarahanay 4 mirahalahy”.

Tia mihomehy i Tita ary mitsikitsiky lalandava no fahitana azy na dia sanatria aza misy ny faharesena eny ambony kianja indraindray. Ho azy ny taranja tsipy kanetibe dia hitany tena miroborobo ankehitriny satria tena tia an’ity taranja ity sady mahay azy tanteraka ny Malagasy ary mba samy te haka “titre” avokoa. Afaka mampianatra tsipy kanetibe ho an’ny rehetra i Tita, araka ny filazany, indrindra ireo vao tena hanomboka izany ary mba mieritreritra ny ho lasa mpanazatra nasionaly any aoriana any.

Nahazo ny « Chevalier de l'ordre du mérite sportif » ny lehilahy ary efa nahazo ny « trophée Mahery » sy « trophée Midi » koa tamin’ny fotoan’androny.

 

Nifandray tamin’olona maro

“Nanjary fantatry ny olona maro aho, hoy i Tita, rehefa nalaza teo amin’ity taranja tsipy kanetibe ity, indrindra tamin’ny nisalorana ny anaram-boninahitra tompondaka eran-tany. Lasa mifandray amin’ny olona ambony maro ary lasa be mpamazivazy ihany koa. Nampisokatra lalana any amin’ny fifandraisana any amin’ny birao isan-tsokajiny ihany ilay naha-tompondaka eran-tany tamin’ny taranja tsipy kanetibe ary mbola manan-kevitra ny hitazona ela izany anaram-boninahitra maha tompondaka eran-tany izany ny tena. Miray feo amin’ireo namako niteny teo aloha koa aho ary manamafy izay voalazan’izy ireo amin’ny tokony mba hijeren’ny fitondram-panjakana mahefa eto amintsika amin’izay an’ireo mpilalao nametraka tantara ho an’ny firenena teo amin’ny zava-bitany. Tokony ho tsapan’ny taranaka any aoriana, hoy izy, fa nametraka tany, trano sy fananana hafa ihany koa ny fiangalian’izy ireny ny taranja nilofosany tsirairay avy”.

Tsy manelingelina ny fiainam-pianakaviana ny fiangaliana tsipy kanetibe, hoy i Tita  rehefa hifampierana ao an-tokantrano tsara. Amin’ny ankapobeny, hoy izy dia manampy ahy amin’ny fahalavorarian’ny fahasalamako ny fanaovana fanatanjahantena ary manampy ny fivelarako ara-tsainy ihany koa ka ny hafatra atolotro hoan’ireo tanora zandry zanaka maniry ny mba hisalotra an’izany anaram-boninahitra eran-tany izany dia ny hoe :  manana saina matotra ary manao fanazaran-tena tsy tapaka isan’andro.

 

Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra : Ntsoavina Evariste

Razakarisoa Tita

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT