Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Rasoarimalala Martine « Mila finiavana lehibe ny fanatanjahantena »


  • Sabotsy 20 Janoary 2018

Kintan’ny Fanatanjantena Malagasy vahinintsika faharoa sady vahiny andriambavilanitra voalohany amin’ity taona 2018 ity ny atleta kalaza amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka (Fond sy Demi-fond),

Rasoarimalala Martine izay homena fisaorana manokana noho ny nahafoizany fotoana nanekeny niresadresahana tamin’ny Tia Tanindrazana ka nahafahana mahampanfantatra ny mikasika azy ato amin’ity pejy manokana ity. Noho ny fandaminana eto amin’ny gazety dia nafindra ho andro sabotsy indray no hahitanao ny Kintan’ny Fanatanjantena Malagasy manomboka izao fa tsy ny andro zoma toy ny teo aloha intsony.

 

Teo amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka “Fond” 10.000 m no tena nampahalaza an-dRasoarimalala Martine ary saika voalohany foana nanoloana an-dry Clarisse Rasoarizay sy Razanadravao Jacqueline tamin’ny fotoanandrony. Na izany aza dia tena nafana tokoa ny fifanandrinana tamin’izany ary tena nifanadala tanteraka izahay 3 mirahavavy ka nampitsanga-mitoetra ny mpankafy hazakazaka tokoa. Nisy fiofanana “Confejes” narahako tamin’ny taona 1993 taorian’ny lalaon’ny nosy tany Seychelles, hoy i Martine, ka nilazan’ireo mpampiofana iraisam-pirenena ahy tamin’izany fa ny “demi-fond” na ny hazakazaka  3000 m sy 1500 m ary 1000 m no tena mety amiko dia teo aho no nanomboka nilofo indray tamin’izany sehatra vaovao izany.

 

Nalamina ny fiainana

 Manambady ary niteraka 2 (vavy 17 taona sy lahy 12 taona) Rasoarimalala Martine. Nirona kokoa amin’ny “sport collectif” toy ny basikety ilay zokiny vavy fa ilay zandriny lahy no liana tamin’ny taranja atletisma an-dreniny sy tamin’ny taranja baolina kitra ihany koa. Azo ambara fa efa ao anaty ranay mianakavy ny fankafizana fanatanjahantena. Tsy nisy fiantraikany tamin’ny fiainan-tokatranoko ny resaka fanatanjahantena satria efa nahafantatra mialoha ny vadiko fa hanambady olona tia sady mpanao spaoro izy ary ny zanako tamin’ny mbola kely dia nisy ny fotoana nitaizana azy tany amin’ny “Crèche”. Fandaminana ny fotoana fotsiny no tsy maintsy natao dia mbola afaka nikotrana isan’andro ihany koa aho amin’izany.

 

Hatrany an-tsekoly

Fony mbola mpianatra i Martine dia efa nisongadina tany amin’ny fifaninanana an-tsekoly “Ossum” nataony. Efa tompondakan’i Madagasikara im-betsaka izy  nanomboka tamin’ny taona 1986 ka hatramin’ny taona 1998 niterahany ny zanany voalohany ka nijanonana tsy nanao fifaninanana intsony. Efa voahosotra ho tompondakan’ny taranja “Cross country” tany Maorisy izy tamin’ny taona 1990 raha niaraka ekipa tamin-dRasoarizay Clarisse sy Razanadravao Jacqueline. Efa tompondakan’ny 1000 m koa tany Dakar Sénégal ny taona nanaraka. Efa nibata ny medaly volamena tamin’ny 3000 m tany amin’ny lalaon’ny nosy tany Seychelles ary nahazo ny medaly volafotsy koa tamin’izany. Mbola nibata ny medaly volamena koa tamin’ny lalaon’ny nosy natao tany La Réunion ary teo amin’ny niatrehany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika dia saika laharana faha-4 hatrany no notazonin’i Martine. Nitana ny voalohany hatrany ity kintan’ny atletisme Malagasy ity raha niatrika ny Semi-Marathon tany Sambava sy tany Antsiranana 1991_1992 tamin’ny fotoanandrony.

 

Nihaona tamin’ny filoham-pirenena

 

Betsaka ny fiofanana narahany tany ivelany, indrindra tany Frantsa (Sotteville, Lyon) ka nahafahany niatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Frantsa teo amin’ny 800 m tamin’ny taona 1995 ka nahazoany ny laharana faha-2 tamin’izany. Nahitany firenena maro toa an’i Frantsa, Afrika Atsimo (Durban), Sénégal, ny Nosy Maorisy sy Seychelles ary La Réunion ny fiangaliana ny an’ity taranja atletisma ity tamin’ny ankapobeny. “Ireo zava-bita azoko ireo dia nahazoako tombontsoa na “avantage” betsaka, hoy i Martine,  fa raha tsy nisy ny fanaovana spaoro dia tsy tafiditra niasa izany mihitsy aho. Raha niantehatra tamin’ny federasion’ny atletisma sy ny minisitera mpiahy fanatanjahantena samy irery ihany koa anefa dia tsy nahita asa sahaza fa dia ny finiavan’ny tena no nampiasaina taorian’ny nahavitan’ny lalaon’ny nosy natao tany La Réunion tamin’ny 1997 ka nanatona nivantana ny filoham-pirenena Didier Ratsiraka mivady teny Iavoloha niaraka tamin’ny namana iray aho tamin’izany ary dia niresaka tamin’izy ireo nivantana na dia tsy nangataka “audience” manokana aza ny nanahirana ny tena ary dia nanome baiko ny minisitra ny filoham-pirenena tamin’izany mba hampiditra ahy hiasa tao amin’ny ministera nefa dia tato amin’ny Tafita no nampidirany ahy ka tao aho ny nanomboka niasa tamin’ny taona 1998 ka mandraka ankehitriny izaho efa mananika ny faha-45 taonako izao.

 

 

Voailikilika

Raha ny zava-bita tamin’ity firenena ity dia mba mendrika ny hahazo “motivation” tahaka an’ireo atleta Malagasy sangany namako aho nefa hatramin’izao dia tsy nahazo an’izany mihitsy. Tamin’ny fanolorana medaly spaortifa sy ny lelavola 2 hetsy ariary niaraka taminy nomen’ny fitondrana Repoblika faha-4 farany teo azy dia tsy tafiditra ho anisan’ireo nisitraka izany ny tenako fa roa volana taty aoriana vao nomen’ny minisitera  “chevalier sous-forme” teny amin’ny Cenit Alarobia. Hatreto aloha, tsy voajerin’ny fanjakana tanteraka izahay atleta nahavita be teo amin’ny firenena. Efa ela no nahatsapako an’izany ka nahatonga ahy nanapa-kevitra tany aloha fa dieny mbola izaho izao “favori” izao ary mbola manana hery sy efa niasa dia nijanona tsy nanao “competition” intsony ny tenako ary dia lasa nanambady ihany koa nanomana ny ho avy. Tena mahamenatra sady mampalahelo eto Madagasikara fa ny atleta sangany tsy voajery dia maro amin’ireo  lehilahy no lasa mpidoroka alikaola ary tsy vitsy amin’ireo vehivavy no lasa mpijoro an-dalambe tsy fidiny”.

“Tsy dia nahaliana ahy ny niditra nanao mpanazatra, hoy ihany i Martine Rasoarimalala,  na dia anisan’ny Malagasy nalefan’ny “mission de cooperation” nanaraka ny “stage CES” tany Frantsa aza aho ka niatohana manontolo ny momba izany rehetra. Nadio sy nahitsy ny fisainako tamin’izany ka tsy mba tao an-tsaiko velively ny hoe hanao “clandestine” hijanona any ivelany izany fa rehefa vita ny natao dia ny hody aty Madagasikara hatrany no mby tao an-tsaina. Anisan’ny zavatra tena notandremako  ny tsy  haloto tany an-tanin’olona fa efa nalaza tamin’izany trangan-javatra izany foana ny Malagasy hatramin’izay fa dia ny hoavin’ny taranako rahatrizay no efa nobanjiniko tamin’izany.

 

Mila finiavana lehibe

Raha ny fijeriko ny ankizy Malagasy amin’izao fotoana dia hitako fa tsy manana finiavana izy ireo fa sady mankafy ny “la vie est belle” sy ny fanatanjahantena miaraka sady be “caprice” na haitraitra be. Amiko anefa dia tsy miaraka mihitsy ny “la vie est belle” sy ny fanatanjahantena. Izahay taloha tsy mba nahazo « régime » izany raha tsy tany amin’ny fampivondronana ary mianga any an-trano ka hatreny an-kianja hanaovana fanazaratena dia efa manomboka mihazakazaka manafana tena ka izany no nampahatanjaka ny olona taloha. Amiko dia tena ilaina eo amin’ny fiainana ny fanatanjahantena fa sady fitaizana vatana no fitaizan-tsaina fa tsy resaka fialam-boly fotsiny. Ao anatin’izao faha-45 taonako izao dia mbola mihazakazaka aho, manao Zumba, miditra « salle de musculation » ihany koa ».

Ny fifaninanana natrehan’i Martine farany tamin’ny taona 2016 ka mbola nibatany ny laharana voalohany dia ny fifaninanana UTOP 60 km nampitohy an’i Mantasoa amin’Ambatobe nefa tsy notohizany intsony fa tsy nahazoany n’inona n’inona akory, araka ny filazany.

 

Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra : Ntsoavina Evariste

Rasoarimalala Martine

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT