Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Rabearisoa René na René tale Mahavelona sy mahatafita ny filalaovana baolina kitra


  • Sabotsy 10 Martsa 2018

Mbola olo-malaza teo amin’ny sehatry ny baolina kitra Malagasy indray no vahinin’ny kintan’ny fanatanjahantena Malagasy ato amin’ity pejin’ny Tia Tanidrazana ity anio sabotsy 10 martsa 2018

dia Rabearisoa René na René tale vodilaharana na « stoppeur »-n’ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra sy ny Club Madagasikara tamin’ny fotoan’androny ary ny ekipa malaza tao Mahajanga Fortior Club de la Côte Ouest.

 

Mbola tadidin’ny mpitia baolina kitra Malagasy mandraka ankehitriny ilay « Coup de tête » hafakely (ilay misolifatra) fanaon’ity vodilaharana Malagasy amin’ny baolina kitra ity. Rehefa tena mafana ny tena, hoy izy, dia mijery tsara ny maso ary tsy mila mihetsika mafy amin’ny fanaovana  (coup de tête) fa ny hatsembohan’ny loha fotsiny no hamiliana ny baolina amin’ny loha eny amin’ny namana. Ny niarahany tamin’i Fréderic « libéro » tamin’ny Club M Madagasikara no tena nampalaza an-dRené tale. Tany Moramanga tao amin’ny klioban’i Tsarafasina notohanan’ny MAER Agriculture no nanombohany nilalao baolina tao anaty rafitra mifandraika amin’ny Federasiona tamin’ny taona 1966. Mbola vao 13 taona izy tamin’izany ary teo amin’ny faha-17 taonany indray dia hitan’ny ekipan’ny Akon’i Toamasina izay notantanan’ny DG-n’ny Agriculture tany an-toerana avy amin’ny lalao “Interscolaire” ka nalainy nilalao tao aminy. Ny ekipa malazan’ny MMM sy STADE Toamasina no mpifanandrina goavana tamin’ny ekipany tamin’izany. Mbola irakiraka hatrany ny toerana notazoniny tany amin’ireo ekipa voalaza ireo. Nifampifamadika ny mpitantana ny Akon’i Toamasina sy ny Fco Mahajanga ka anisan’ny nantsoina hilalao tao amin’ny Fco Mahajanga i René tale nifampisolosolo tamin’i Jean Kely kapiteny tamin’ny taona 1972. Tamin’ny taona 1973 dia voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ny Fco Mahajanga ka voaantso hanatevin-daharana an’ity ekipa ity tamin’ny fifanandrinana tamin’i Zambia i René tale niaraka tamin-dry Said, Ferdinand, Assiraf, Odong Youssouf sy ry Jean kely sy Marcel ary i Toto sy Dezy Ramasy ary i Tsiriry sy Naina Fianarantsoa ary Albert Demony. Resy hatrany 1-0 sy 3-0 ny Fco tamin’izany ka betsaka ny mpilalao niala tao amin’ity ekipa ity dia nanangana mpilalao vaovao ho tompon-toerana ny Fco dia tao Philémon (Antsohihy) ry Florent, Dedy ary Solo (Marovoay), Ali sy Patrick mpiandry harato. Nanomboka teo  no nitanany ny toerana vodilaharana niaraka tamin’i Tsiriry izay lasa mpiandry harato rehefa avy eo sy ry Toto niaraka tamin’i Albert Demony sy Setra ary ry Mon Frère sy ry Gence. Noho izy zatra ny toerana irakiraka dia tafakatra namono baolina hatrany izy na dia vodilarana aza. Efa voaantso tao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy nihaona tamin’i Bresil tetsy Mahamasina (resy 5-1) tamin’ny taona 1973. Resin’i Mahajanga 1-0 ity Bresil ity  tamin’izany.

Azoko ambara fa nahitako soa tany Mahajanga na eo amin’ny fiainana andavanandro na teo amin’ny filalaovana baolina ary tao koa no nahazoako vady sy ny zanakay 3 mianadahy. I Garry ilay mpilalao kalazan’ny klioba St –Dijon avy amin’ny “Ecole de Foot” tao ary efa lasa “Moniteur” ao ihany ankehitriny no lahimatoa. “Tourneur Mécanique” no asan-dRené tale tany Moramanga, lasa niasa an-tsambo tamin’ny kaompania Japoney tany Mahajanga ary niasa tamin’ny FIMA rehefa niverina teto Iarivo ka nilalao tao amin’ny ekipan’ity orinasam-pitaterana ity ka lasa mpivarotra enta-madinka ankehitriny rehefa nanomboka nisotro ronono. Mbola mampianatra baolina boay kely isaky ny sabotsy eto Antananarivo ny lehilahy ankehitriny.

“Mahavelona sy mahatafita ny filalaovana baolina kitra, hoy i René tale, tsy nahalasa ahy ho miaramila ary nahazoako tombontsoa maro ny nampalaza ahy teo amin’ny baolina kitra fa nahitako tany betsaka (Zambie, Zimbabwé, Swaziland, Johannesburg, Tanzanie, Mozambique, Kenya, Ouganda, Côte d’Ivoire, Soudan, Zanzibar, Urss, La Réunion, Seychelles, Maurcie, Egypte). Tsaroaka tsara tao amin’ity firenena farany ity rehefa miditra trano fisakafoana ianao dia rosoan-dry zareo avy hatrany ravim-boafotsy mafana fa mariky ny fanajana olona izany ho an-dry zareo Silamo”. Efa nisalotra ny “brassard” kapitenin’ny Fco nifandimby tamin’i Dezy Ramasy i René tale ary efa kapitenin’ny ekipam-pirenena Malagasy sy ny Club M koa Ny ekipan’ny Sotema ho an’ny Fco nisy azy dia sady mpifanandrina tamin-dry zareo no mpifanandrina tamin’ny vahoaka koa noho izy be mpikaraman’ady. Rehefa milalao any ivelany izahay dia mahazo aina kokoa noho ny milalao aty an-tanindrazana. Mila vonona tsara sy manao fanazarantena tsara rehefa hiakatra an’i Mahamasina. Tsy hadinon’ny olona mihitsy ianao rehefa hitany fa nilalao tsara. Rehefa tsy tiany ianao dia tena tsy tiany intsony. Nambaran-dRené tale fa tsy maintsy nalaza niaraka taminy foana ireo niaraka taminy tao amin’ny vodilaharana Malagasy. Anisan’ny tena nanahirana azy teo amin’ny vodilaharana kosa ny nitana an’i Donné Kelin’i Fianarantsoa sy ny “Ligne d’avant” an’ny Corps Enseignant an’i Toliara tamin’ny fotoanandrony.  

Tokony hamboarina ny lalàna mikasika ny “Assurance” fanatanjahantena hampiarina eto Madagasikara, hoy Rabearisoa René ary tokony hiditra lalina amin’ny fikarakarana ny fanatanjahantena Malagasy ny fanjakana misy.

“Ny hafatro, hoy izy, dia tokony hotiliana avokoa ireo mahay baolina manerana ny nosy fa tsy any amin’ny faritra vitsivitsy monja dia havondrona manao “stage” mandavan-taona, ohatra, ny nataon’i Peter Snittger ka antsoina in-2 na in-3 isan-taona na misy fifaninanana hatrehana na tsy misy. Izaho mino fa tena mbola hiakatra ny lentan’ny baolina kitra Malagasy raha hovana ny rafitra hitantanana azy.

 

 

Nanangona sy nandrindra ny lahatsoratra : Ntsoavina Evariste


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT