Sport

Kintan’ny Fanatanjahantena Malagasy Arlette Riama Law Kwan (Mamie Arlette) Tena nanampy ahy teo amin’ny fiainako ny fanatanjahantena


  • Zoma 10 Novambra 2017

Arlette Riama Law Kwan iray amin’ireo andriambavilanitra 12 nibata ny anaramboninahitra tompondakan’i Afrika teo amin’ny taranja basikety baolina vehivavy tamin’ny taona 1970, tany Lomé TOGO,

  no kintan’ny fanatanjahantena Malagasy hampahafantarina antsika eto amin’ity pejy ity anio tamin’ny alalan’ny resadresaka nifanaovana nivantana taminy.  

 

76 taona ankehitriny i Arlette Riama Law Kwan na i Mamie Arlette manambady ary manan-janaka 3 (vavy 2 sy lahy 1) ary zafikely 8 izay samy mankafy lalao basikety avokoa. Izay ilay ambara hoe ao anaty ran’izy mianakavy ny fankafizana sy fiangaliana an’ity taranja ity. Mbola tena mijoro sy matanjaka tsara ny vehivavy ary mbola mitantana ny  sekoly iray hampianarana ny ankizy ny baskety izy ankehitriny dia ny Ecole de basket Fhaws miaraka amin’ny klioba B.B.C Fhaws Basket Ball Club ihany koa. Anisan’ny Malagasy misalotra ny diplaoma ambonin’ity taranja ity izy ankehitriny dia ny diplaomana mpanazatra “niveau 3” izay azony tamin’ny Fiba Afrique tamin’ny faha-69 taonany. Ny tena nampalaza an’ity metisy sinoa mizaka ny zom-pirenena Malagasy ity (Ray Sinoa sy reny Malagasy-Frantsay) dia nanomboka tamin’ny taona 1970 nisalorany ny anaram-boninahitra tompondakan’i Afrika amin’ny taranja basikety baolina teo amin’ny faha-30 taonany, niaraka tamin’ireo namany 12 mirahavavy tany Lomé Togo rehefa nandavo ny Repoblikan’i Arabo mitambatra (RAU) tamin’ny isa 44-36 teo amin’ny lalao famaranana. “2è Capitaine” tao amin’ny ekipa nasionaly Malagasy vehivavy izy tamin’izany ary voatery nafohezina ho Riama Arlette fotsiny ny anarana fa nesorina ireo anaran-tsinoa nisalorany. Izy anefa no hany nanambady tao amin’ity ekipam-pirenena Malagasy vehivavy ity ka to teny sy nohajain’ireo namany rehetra. Mora ho azy ny nifandray sy nametraka ny “discipline” teo amin’ireo namany ireo satria efa zatra ny naha kapiteny azy foana tao amin’ny ekipan’ny As Chinoise nisy azy tany Toamasina izay ekipa tompondakan’i Madagasikara  in-7 teo anelanelan’ny taona 1960-1970.

“Ny tao an-tsaiko tamin’ny nandehanana niatrika an’io tompondakan’i Afrika tamin’ny 1970 io ka nampitaiko tamin’ireo namako, hoy Arlette,  dia ny hoe : “tsy hitsangantsangana no alehako any Togo fa hiady ho an’ny voninahitr’i Madagasikara. Tena niray hina niaraka tamin’ny mpanazatra sy mpitaiza ara-moraly niaraka taminay izahay 12 mirahavavy izay avy any amin’ny faritra samihafa eto amin’ny nosy (Antananarivo,  Toamasina, Antsirabe, Sambava, Fianarantsoa, Mahajanga) na dia niafy ara-tsakafo aza. Nisy nankalaza ny tsingerintaonany tamin’ny fihinanana ankondro tamin’izany nefa ambony ny moraly noho ny fiarovana an’i Madagasikara.  Tsy hay lazaina intsony ny hafaliana nandrombaka ny anaram-boninahitra tompondakan’i Afrika. Noho ny fanaovana tsongolobatita tamin’izany dia nivadika mihitsy ny tongotro (entorse). Tena nirehareha mihitsy amin’ny maha Malagasy anay izahay ary  notsenaina am-boninahitra teto an-tanindrazana hatreto Antananarivo ka hatrany Toamasina. Tsy mba nahazo “prime” tahaka ny ankehitriny izahay ary nampanantenaina mariboninahi-pirenena  saingy tsy nahazo raha tsy efa fotoana elabe taty aoriana. Ity fandresena azo ity no nitondra anay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tanin’ny basket tany Sao Paulo Brezila tamin’ny taona 1971 izay nanamafisana traikefa fotsiny. Marihana fa “barboteuse nisy elastique niaraka tamin’ny “popeline” nozairin’ny tena no nentina nanaovana fanazarantena. Taorian’ny fiatrehana an’io tompondakan’i Afrika io dia niverina nianatra tao amin’ny INSEPS  ny tenako ary tafita soa aman-tsara ka nitondra ahy ho tale tao amin’ny ANS izany ary avy eo tao amin’ny Tafita ary “conseiller non permanent tao amin’ny minisiteran’ny mponina. Nampitandrin-tena fatratra ny naha tompondakan’i Afrika noho izaho lasa fanta-daza be, fantatry ny olona rehetra. Raha ny marina dia nanamora ny fifandraisako tamin’ny olona ambony sy nanamora ny fidirako ho mpiasam-panjakana ny nampalaza ahy teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Tena nanampy ahy teo amin’ny fiainako manontolo izy. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazako fa mbola niara-nilalao basket tamin’ny zanako mirahavavy, indrindra i Nadine, aho taty aoriana”.

Mba hafatra ho an’ny tanora te hilofo amin’ny fanatanjahantena ataoko dia ny tokony hananan’izy ireo “sacrifice”, tsy mandanilany fotoana fahatany, halavirina ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola sy ny mifopoka, fadiana koa ny manao firaisana ara-nofo aloha loatra.

Ho an’ny ray aman-dreny kosa dia ambarako fa tsy fandaniana andro ny fanaovana fanatanjahantena fa manampy ny ankizy amin’ny fianarana ataony ary azo atao tsara ny mampiaraka ny fianarana sy fanatanjahantena fa tena mifameno”.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Tsindrin'i Etazonia
  • Talata 28 Aprily 2026

momba ny Mondial 2026

  • FANATANJAHANTENA
  • Talata 28 Aprily 2026

AN-TSEKOLY

  • Disadisan'ny
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Federasiona sy ny Mpitsara

  • Kianja BAREA Mahamasina
  • Zoma 24 Aprily 2026

Telo andro ho an'ny Fanatanjahantena

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

Hijery ny tohiny
FTT