Politique

Zotram-pifidianana Hanao fandravonan-kevitra ny CENI


  • Sabotsy 12 Novambra 2016

Miditra amin’ny dingana farany ny fandrafetana ny paikadim-pirenena ho fanabeazana sy ho fanentanana ara-pifidianana sy ny paikadin-tseraseran’ny CENI taorian’ny fanangonana ny hevitr’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana teny ifotony.

Hotanterahina ny 14 sy 15 novambra ary ny 17 sy 18 novambra 2016 ho avy izao ny atrikasa nasionaly ho fanamafisana ny hevitra natosak’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana nandritra ireo atrikasa natao tany Fianarantsoa, Mahajanga ary Toamasina izay nandraisan’ny fiaraha-monim-pirenena, ireo mpitondra fivavahana, ireo mpanao politika, ireo mpanao gazety, ireo rafi-panjakana, ireo olon-tsotra… anjara. Atrikasa nahafahana nisintona tsikera sy soso-kevitra hamolavolana ireo paikady tokony hahomby sy hifanaraka amin’ny kolontsaina sy ny zava-misy eny amin’ny faritra tsirairay.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT