Hanaratsy endrika
an’i Madagasikara ny fiitaran’ny fotoana»
Miaradia amin’ny fitondràna mijoro ny antoko politika Les Phares sy ny vovonana ‘Lay FAR kanefa mitondra ny hetahetam-bahoaka ihany koa, hoy ny filohan’ireo antoko politika sy vovonana ireto, Georges Rafanomezantsoa. Notakiana tamin’ny tolona, hoy izy, ny fanovàna ny rafitra rehetra ka laharam-pahamehana, noho izany, ny fikaonandoham-pirenena. Ny mpanao politika efa nahavita ny azy. Efa nanolotra ny fehinteny tamin’izany niaraka tamin’ny SIAP na Sehatra ifandinihinan’ny antoko politika ny mpanao politika. Efa niaraha-nanao teny Akorondrano koa ny fikaonandohan’ny tanora. Mbola hisy koa ny fanofanana tanora iarahan’ny SIAP sy ny Vondrona afrikanina ny alarobia izao. Tena zava-dehibe ny fikaonandoha, noho izany. Ny mikasika ny fifidianana kosa dia efa nanamafy ny filohan’ny fanavaozana fa tsy maintsy atao io. Ny resaka fanovàna governemanta koa mbola resaka hafa. Ilay fifidianana teo mila fitaovana, vola, olona. Handray anjara amin’ny fifidianana rehetra hoavy, raha ny ‘Lay FAR manokana. 2 volana sisa dia hifarana ny taona. Sarotsarotra ihany, araka izany, ny hanomana fifidianana amin’izao. Ny ‘Lay FAR nangataka ny mba hanamorana indrindra ny dingana rehetra mikasika ny fifidianana. Hanaratsy endrika an’i Madagasikara ny fiitaran’ny fotoana. 2 taona no nifanarahana sy nifanekena handaminana ny zava-drehetra. Nosoniavina izany. Mety hanaratsy endrika an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisampirenena izany ny tsy fanajàna an’izay. Ny sosokevitra azo aroso dia ny famerenana miantso ny mpanao politika. Izay no tokony ataon’ny filohan’ny fanavaozana izay efa niteny rahateo fa tsy hanavaka mpanao politika, hoy hatrany ireto vovonana sy antoko politika ireto.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.