Iray amin’ireo mpanao politika tonga teny amin’ny Panorama Andrainarivo araka ny fanasan’ny ITEM omaly Atoa Zazah Ramandimbiarison, ilay tanan-kavanan’i Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina tamin’ny fotoan’androny ary nametra-pialŕna hatrany tsy hiara-miasa intsony amin’izy ireo rehefa akaiky ny fotoana
Nambaran’ny mpikarakara tao amin’ny ITEM araka ny voasoratra tao anatin’ny takilam-pilazana fahatongavana fa nisolotena an’Atoa Jules Etienne, efa nitonona ho kandida, ny lehilahy. Izy moa ankehitriny dia Sekretera jeneralin’ny Madagasikara Fivoarana. Teo amin’ny firesahan’ny Tia Tanindrazana nivantana taminy anefa dia tsy nety nanambara an’io olona tohanany io mihitsy Atoa Zazah Ramandimbiarison satria nambarany fa tsy tsangan’olona fa tsangan-kevitra no tohanan’izany antsoina hoe antoko politika izany.
Tsy olona no maka fahefana, hoy izy, fa ny antoko ary efa nanimba zavatra teto io fivoizana tsangan’olona io teto amintsika. Ary satria ny hahazoana mandrindra ny fianam-bahoaka amin’ny fijerena ny zava-misy tadiavin’ny mpiaray tanindrazana no kendrena dia vonona amin’ny fiatrehana ny fifidianana rehetra ho avy ny antoko Madagasikara Fivoarana ka hanana kandidà amin’ny sehatra rehetra. Dia tsy fantatra aloha na tsangan’inona ireo kandidà ho tohanan’ity antoko ity ireo ?
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.