Isan-taona, isaky ny volana jona, mankalaza ny volan’ny ankizy i Madagasikara,
hoy ny praiminisitra teo aloha, Zaza Ramandimbiarison, saingy ambadiky ny kabary sy ny hetsika ara-kolontsaina, mipetraka mangina ny fanontaniana lehibe hoe mbola mahazo toky sy fitarihana avy amin’ny ray aman-dreniny ve ny ankizy malagasy amin’izao andro iainantsika izao? Raha jerena ny zava-misy dia mampanahy tanteraka ny valiny, hoy izy. Fahantrana manimba ny fototry ny fianakaviana no eo amin’ny ankamaroan’ny tokantrano eto amin’ny firenena. Voahosin’ny fahantrana lalina ny ray aman-dreny. Tsy manana asa maharitra intsony. Voatery mivahiny an-tanàn-dehibe ary miaina anaty tsy fahampiana. Tsy mahavita manome sakafo sahaza, fitaizana ara-tsaina, na fitiavana ampy ho an’ny zanany intsony izy ireo. An’arivony ny ankizy mitombo tsy am-pitiavana, tsy am-pampianarana, tsy am-piahiana. Tsy ny fanomezana sakafo sy trano fotsiny no atao hoe fitaizana. Ny tena ray aman-dreny dia mampianatra, miaro, manampy, manome fitiavana, mitarika ary mitandrina. Izy ireo no fitaratra voalohany sy fiarovana voalohan’ny zaza. Raha simba izany andraikitra izany, dia mihozongozona ny fiarahamonina iray manontolo. Mitombo ny asan-dahalo. Mikorontana ny toe-tsaina ary vaky ny firaisankina eo amin’ny samy olompirenena. Zaza tsy nahazo fitiavana, tsy hahay hifankatia. Zaza tsy nohenoina, tsy hahay hihaino. Zaza tsy nahazo fitaizana, tsy hahay handray andraikitra. Ankehitriny, tanora malagasy maro no tsy nahita na nahatsapa akory ny fitsinjovan’ny ray aman-dreny. Maro no lasa mirenireny, misotro toaka, mifoka zava-mahadomelina, na miditra amin’ny asa ratsy. Misy aza mitondra fitaovam-piadiana. Lasa lasibatra mora amin’ny fanararaotana sy fanabeazana diso izy ireo. Lasa gadra maharitry ny fahantrana sy ny tsy fananana hoavy. Avereno omem-boninahitra ny andraikitry ny ray aman-dreny! Tsy maintsy miaraka miasa ny fanjakana, ny fikambanana tsy miankina, ny fiangonana, ny mpampianatra ary isika tsirairay, mba hampianarina sy hanohanana indray ireo ray aman-dreny. Mila fanentanana, fandaharan’asa manokana momba ny fahaiza-mitondra zaza, fanohanana ara-tsosialy, ary fitsinjovana ny fianakaviana tena marefo. Fa miankina aminao, ray aman-dreny, ny tena fanombohana. Tsy vola no ilaina indrindra, fa fitiavana sy fisianao.Ny fananana fotoana mihaino, ny fahaiza-mampahery, ny famihina iray dia mety hamonjy fiainana iray manontolo. Vonjeo ny ankizy dia ho voavonjy i Madagasikara! Tsy ho fety sy sary hosodoko fotsiny ny volan’ny Ankizy. Tokony ho fotoana fanehoantsika fa manana adidy amin’ny taranaka isika rehetra. Raha tsy arovantsika ankehitriny ny ankizy, dia very ho azy ny hoavin’i Madagasikara, hoy hatrany ity praiminisitra teo aloha ity.
Nangonin'i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.