Politique

Zava-bita manara-penitra Manjavozavo ny loharanom-bola


  • Alatsinainy 21 Janoary 2013

Tao anatin’ny orana ny fitokanana ireo zava-bita manara-penitra tao Toamasina ny faran’ny herinandro teo.

 Niatomboka tao Mangarano II izany tamin’ny fitokanana ny “Cité Fitiavana” miisa 128 ahitana karazany roa dia ireo manana efitra 03 miisa 100 sy ireo manana efitra 04 miisa 28, ka ny 01 no natao hipetrahan’ny mpanara-mason’ny ministeran’ny fanajariana ny tany. Amidy Ar.24 tapitrisa ny manana efitra 03 amin’ireo tanora manambady, ka aloa 150.000Ar isam-bolana ao anatin’ny roa taona, izay tsy re tsaika ny filazana ny fisoratana anarana aminy. Ny alahady no natao ny an-tsapaka ho an’ireo nahazo ny trano miisa 100 aloha, raha niisa 250 ireo nisoratra anarana. Teo koa ny fitokanana ny hopitaly manara-penitra (HpM) miorina ao anatin’ny tanin’ny Magro Morafeno. Vita tamin’ny fitaovana sinoa ny 99%-n’ny HpM. Vao tonga avy any Chine ny zoma hariva teo ireo fitaovana ao anatiny.

Nambara fa hopitalim-bahoaka ny HpM, ka ho maimaimpoana avokoa ny fitsaboana, ny fiterahana, ary ny fandidiana. Atoa Zafimana Henri Michel izay mpitantanana teo anivon’ny hopitaly tao Mananara Avaratra no taleny. Ahitana farafara miisa 120 ary ireo fitaovam-pandidiana sy fitarafana samy hafa ao anatiny. Ireto zava-bita roa voalohany ireto dia nolazaina fa ny ministeran’ny fanajariana ny tany no “namoaka ny vola” (?).

Misy loharanom-baovao milaza anefa fa misy mpandraharaha Sinoa sy Karana ary Malagasy, mpiara-dia amin’ny filohan’ny tetezamita, ao ambadiky ny fanamboarana sy ny fampitaovana azy. Ny fitokanana ny Lapan’ny tanàna vao nasiam-panarenana no namarana ny lanonana omaly alahady tolakandro. Ny SPAT izay namoaka ny vola be indrindra 1.400 tapitrisa Ariary eo, MICTSL, BCMM, Ambatovy, KRAOMA…no nanampy ara-bola izany. Ilay mpandraharaha Karana sy Malagasy kosa no niantoka ny fanaka natao tao anatiny, rehefa nahilika, nolazaina fa “fako” ny nangatahina tamin’Ambatovy ary noraisin’ny Kaominina tsara ny 13 desambra 2012.

Rakoutou


ENCADRE

Ny minisitry ny fahasalamana, minisitry ny mponina sy fiahiana ara-tsosialy, minisitry ny fampianarana teknika, minisitry vola sy teti-bola, minisitry ny asa vaventy, minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fampandrosoana, ny minisitry ny fiarovana, minisitry ny paositra sy fifandraisan-davitra, minisitry ny serasera…ary ireo rehetra avy ao Ambohitsirohitra tonga tao Toamasina.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT