«Tsy ambony noho ny Vaomieran’ny filaminana sy fandriampahalemana (CPS) sy ny Vondrona Afrikanina fa iraka fotsiny ihany i Leonardo Simao”, hoy i Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.
Tsy anjaran’i Simao, araka izany, ny hilaza na hidinika na mahazo mody na tsia ny filoha Marc Ravalomanana. Anjara asany kosa anefa ny fampiharana izay tapaka tamin’ny fivorian’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny SADC, ny tapaky ny CPS ary ny Vondrona Afrikanina. Koa matoky ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny filoha Ravalomanana isika, hoy i Zafilahy Stanislas. Ity farany izay nanamafy indray fa sarotra ny hisiana fifidianana kanefa tsy misy fitoniana, ary ao anatin’izay fitoniana izay anefa ny fahatongavan’ny filoha eto an-toerana. Nohamafisin-dRalaiseheno Guy Maxime fa raha namoaka fehin-kevitra ny Vondrona Afrikanina dia nandentika ny fampiharana ny sori-dalana.
Efa lalàna velona eto Madagasikara ny fodian’ireo sesitany politika rehetra ka ao anatin’izany i Marc Ravalomanana. Mpiray tsikombakomba amin’ny mpanongam-panjakana na ny ambasadaoro frantsay vaovao Goldblatt na i Leonardo Simao, hoy ihany Ralaiseheno Guy Maxime. Tsotra ny resakay, hoy izy : “ampiharo ny sori-dalana”. Ny raharaha 2009, hoy ihany Ralaiseheno Guy Maxime dia i Andry Rajoelina no niantombohany. Rehefa tsy manaja izay nosoniaviny dia aleo esorina satria mpanongam-panjakana.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.