Politique

Zanak’i Dada Mitohy ny tolona


  • Zoma 07 Desambra 2012

Fanadihadiana enina karazana no sokafana eo anivon’ny Parlemanta momba ireo dosie tena mafana eto amin’ny firenena, araka ny fanazavan’ny CST Rakotoarivony Jean Pierre tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly

 Ampahany amin’izany, ny sehatry ny harena ankibon’ny tany. Ankehitriny mantsy dia misy vitsy an’isa lasa manankarena tampoka ary ny tena loza dia mahazo laka ireo “mafia” vahiny. Hanokafana fanadihadiana koa ny famonoana olona any Atsimo. Tetsy andanin’izany dia nambaran’i Zafilahy Stanislas fa efa tonga any Dar Es Salama, Tanzania ny filoha Ravalomanana hitady izay ho vahaolana amin’izao krizy izao. Manoloana ny filazan’i Andry Rajoelina omaly fa tsy handeha hidinika kosa dia nambaran’ny filoha lefitry ny Kongresy fa tsy maintsy handeha ny filohan’ny FAT saingy handeha mangingina. Fantatr’i Andry Rajoelina ny zavatra hiandry azy raha tsy ho any Tanzania izy, hoy i Zafilahy, ka “hiaraha-mahita eo”.

Mazava ihany koa ny tenin’ny vaomieran’ny fandriampahalemana sy filaminana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina fa hitaky ny fanasaziana izay rehetra sakana amin’ny fizorana amin’ny famoahana an’i Madagasikara amin’ny krizy. Ankoatra izay dia nohamafisin’i Zafilahy Stanislas fa tsy hisy fifidianana eto raha tsy tonga eto i Marc Ravalomanana. Ny fahatongavan’i Dada eto Madagasikara, hoy ity Parlemantera ity dia hamadika ny pejy, tsy ho an’i Madagasikara irery ihany fa ho an’i Afrika manontolo, izay tsy hanaiky ho ohatra ratsy noho ny tranga nisy teto amintsika. Dingana telo no nizorana sy hizoran’ny tolona, hoy i Zafilahy, dia ny hamerenana ny filoha eto an-tanindrazana, ny firotsahany hofidiana ary ny dingana fahatelo dia ny fiarovana an’i Marc Ravalomanana rehefa tonga eo amin’ny fitondrana. Fantatra moa fa hisy fanambarana lehibe hataon’ny filoha Marc Ravalomanana eny amin’ny kianjan’ny Magro rahampitso sabotsy mandritra ny hetsika karakarain’ny vondron’ireo very asa.

Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT