Hiverina an-kianja indray anio ny mpitolona mitaky ny fiverenana amin’ny ara-dalŕna sy ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana.
Miditra amin’ny taona fahefatra ny tolona izao. Manantena ireo Zanak’i Dada fa ho tonga an-tanindrazana amin’ity taona 2013 ity ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Miandry izay ho fihetsik’i Andry Rajoelina manoloana ny fifidianana koa izy ireo. Hikiribiby ho kandida, sa hanana fahasahiana ka hanara-dia ny filoha Ravalomanana tsy hilatsaka. Tetsy amin’ny Magro Behoririka, ny sabotsy 29 desambra teo aloha dia nahitsy ny voalazan’i Manandafy Rakotonirina fa dia teren’ny Frantsay sy ny SADC hipetrapetraka i Andry Rajoelina, satria mbola tanora loatra.
Ny dikan’izany hoy i Manandafy dia tsy mahazo milatsaka hofidiana filoham-pirenena i Andry Rajoelina raha tsy ampy taona. Koa na izy hanaiky hifampiraharaha amintsika, na hifototra any aminy ilay andininy faha-45 ao amin’ny tondrozotra natao tamin’ny filoha Marc Ravalomanana. Raha manaiky izy dia izay no atao hoe fifamelana izay ataon’ny FFKM. Ny faniriantsika, hoy ity mpikambana ao amin’ny filankevitra ambonin’ny tetezamita avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ity dia ny hisian’ny filaminana. Zavatra roa no antoka ho antsika amin’ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana, hoy i Manandafy. Ny voalohany dia izay hevitry ny fanjakana frantsay, tsy hanao zavatra kitoatoa aty amin’ny oseana Indiana. Ny faharoa dia ny fampihavanana hataon’ny FFKM, ka raha manaiky ny hampihavanina i Andry Rajoelina dia manao izy ireo.
Britto
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.