Politique

Zanak’i Dada Marc Ravalomanana no kandida fantany


  • Talata 18 Desambra 2012

“Mandeha ila, fanapahan-kevitr’olo-tokana ny an’i Andry Rajoelina. Tsy hamaha olana fa vao mainka aza any amin’ny krizy”, hoy ny solontenan’ny ankolafy Zafy Albert niaka-peo tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly.

 Ny resaka fifidianana, hoy i Nojinco dia tsy hisy zavatra hanjary. Ilaina apetraka aloha ny tetezamita iarahana, tena ifanekena izay vao afaka manao zavatra hafa. Hatreto, araka ny fanazavany dia tsy mbola niova ny ankolafy Zafy, hoy izy. Mitaky izay tetezamita tena iarahana izay izahay, avy eo ny tena fampihavanam-pirenena. Eto Madagasikara koa no tokony hatao ny fihaonan’ireo filoham-pirenena sy ny diniky ny samy Malagasy hamahana ny olana. Tsy hisy io fifidianana io, hoy ihany i Nojinco raha tsy mipetraka ilay tena tetezamita ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena no hanara-maso izany. Mila mihavana sy mifamela raha tsy izany dia hikorontana eto foana isika, hoy ihany izy.

Ankoatra izay dia nasian’ny tetsy an-kianja ihany koa ny momba ny fanomezana karama ireo mpilalao rugby avy amin’ny Makis. “Volam-panjakana avy aiza no omena ny Makis ?”, hoy ny CT Andriamoratsiresy Sandros Alfred avy any Vatovavy Fitovinany. Tsy ny mpanao rugby ihany koa anefa no mila karama, hoy izy fa eo koa ireo mpanao fanatanjahantena hafa, eo koa ny sefo Fokontany sy ny maro hafa. Manginy fotsiny dia tsy misy mangarahara ny fanomezana izany karama izany ary tsy nifampierana, na dia teny amin’ireo parlemanta aza. Tetsy andanin’izany dia mazava ny tenin’ny CT Ranaivorazo Raobelina Fenomanjato, “tsy hijanona izahay raha tsy tratra ny tanjona dia ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana”. Tokana ihany ny kandidan’ny ankolafy Ravalomanana dia i Marc Ravalomanana.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT