Niompana kokoa any amin’ny fidirana an-tsehatry ny FFKM amin’ny fampihavanam-pirenena ny lahateny tao amin’ny Magro Behoririka omaly.
Tsy tratra ny tanjona amin’ny fampizarazarana ny FFKM, hoy i Mektoub el Camille, ka mamoron-javatra hafa indray ry Andry Rajoelina. Nambaran’ity Depioten’i Mananjary teo aloha ity fa valo volana no nanomanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena io asan’ny FFKM io ary efa nisy komity mpandrindra izay misy olon’i Dada hiringiriny, ka tsy ho very n’aiza n’aiza izy. Nohamafisin’ny CT Mamitiana Ravelonanosy ny voalazany fa ny FFKM ihany no ekena ary raha ahilika ny fiangonana dia makany an-davaka foana ny firenena. Nametraka arofanina kosa ny CST Randrianjatovo Henri raha nilaza fa tokony hijoro amin’ny maha filohan’ny fiangonana azy ny FFKM. Tsy mety, hoy izy, raha hamelona indray ny mpanao politika efa maty ; efa manavotena daholo mantsy ireo nisehoseho tamin’ny2009 ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.