Politique

Zanak’i Dada Hivoaka ny kianja


  • Alarobia 19 Desambra 2012

Andrasana izay ho vokatry ny dian’i Andry Rajoelina any Frantsa, hoy ny CT Mamitiana Ravelonanosy hamantarana raha tsy mitanila tokoa Renimalala na tsia.

 Potika tanteraka ny firenena, hoy ireo nandaha-teny tao amin’ny Magro Behoririka omaly ary ny politika hitondrana ny raharaha koa vao maika mandatsaka an-davaka. Tsy Makis daholo ny vahoaka Malagasy ary tsy hisy haniry harary kanefa izany no laharam-pahamehana ho an’ny FAT. Momba ny dian’i Andry Rajoelina any Parisy moa dia fanontaniana no napetraky ny CST Rodin Rakotomanjato raha toa ka olona misoratena ho filoha kanefa minisitry ny raharaham-bahiny no hihaona aminy. “Tsy misy izany fiandrianam-pirenena izany eto, tsy misy ihany koa fanjakana” hoy izy. “Aleo ho tonga ny filoha Ravalomanana dia hita eo hoe any amin’iza ny vahoaka”, hoy ihany ny CST Rodin Rakotomanjato nanamafy. Ankoatra izay dia fantatra fa miomana hivoaka ny kianjan’ny Magro ireo mpandala ny ara-dalana, haneho indray ny heriny. Tsy mbola nambara izay toerana haleha fa dia efa nampiomana ireo mpiara-dia amin’ny ireo mpitraika.

Nangonin’i Soa  

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT