Politique

Zakahely Boniface “Tsy ho azon’ny TGV ny «Maire»-n’Antananarivo !”


  • Alarobia 10 Aogositra 2011

“Tsy mbola nahita lalam-pifidianana ratsy noho iny mikasika ny fifidianana rejionaly sy faritra vao nolanian’ny Kongresy tamin’ny herinandro lasa teo iny aho hatramin’izay naha-solombavambahoaka ahy hatramin’ny 1998 ”, hoy ny mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita Zakahely Boniface.

 Niisa 7 hatramin’ny 12 any ny lalàm-pifidianana nandalo teto aminay hatramin’izay fotoana izay fa ity no tena ratsy indrindra, hoy izy, nanamafy ny teniny. Izaho dia tsy tonga nifidy ity volavolan-dalàna ity, hoy i Zakahely, fa efa fantatra fa tsy manaraka ny lalàmpanorenana izy io satria tsy misy fifidianana atambatambatra izany ao anatin’io lalàmpanorenana vao nofidiana io. Any anatin’io lalàmpanorenana io koa, hoy izy, dia tsy mazava ny amin’ny voalaza ao fa latsa-bato mivantana no hatao amin’ny fifidianana rejionaly sy kaominaly.

Fetsifetsy be ilay nanao ity lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 ity nefa izy ihany no ho voa amin’io amin’ny farany. Tsy hahazo ny toerana Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izany mantsy ny antoko TGV noho izy io ary voafitaka i Andry Rajoelina mpanorina ity antoko ity satria, na tsy nanaraka akaiky azy io izy, na tsy nivaky loha mihitsy. Ny any amin’ny Faritra no kendreny ahazoana maro an’isa amin’ireny fanaovana “manara-penitra” ireny, hoy ihany i Zakahely Boniface. Amiko, hoy ity farany, dia tsy hisy fifidianana ho vanona izany eto ary ho eken’ny rehetra raha io lalam-pifidianana io no ampiharina.

Ny vahaolana hitako, hoy ihany ity CT avy any Mananara Avaratra ity, dia tokony hifanaraka farafaharatsiny amin’ny iray amin’ny Ankolafy 3 i Andry Rajoelina mba hisian’ny fitoniana eto amintsika. Raha tsy tanteraka izany dia ahiako fa mialoha ny faran’ity taona ity dia hisy hiady eto fa ny olona izao efa miandry fotsiny fa tena sahirana. Ny zava-tsy fanao toy ny aferana andramena mitohy, ny fanafody fanomezana avy any ivelany misy mivarotra, ny entana lany daty mbola hamidy amin’ny Malagasy indray rehefa fantatra ny fisiany, ny aferafera tsy ferana intsony fa mpiasam-panjakana iza ao anatin’ny krizy no tokony hanana fiara avo lenta indrindra maneran-tany tahaka ny hita eto amintsika ?

 

Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT