Raha tsy voasakan’ny mpiara-miasa tamin’ny Ben’ny tanŕna dia tany angabone no niafaran’ity olom-boafidy ity. Tao Mananara Avaratra no nitrangan’izany omaly antoandro.
Niafara tamin’ny fikasihan-tanana ny fanaovan’i Zakahely Boniface anjolofo hampiasa ny efitrano malalaky ny Kaominina ambonivohitra Mananara Avaratra hanaovana fivoriana politika amin’ny anaran’ny TOTAL (Toe tsy ameko anao tsy amy lerany) na tsy nahazo alalana akory aza izy. Nisakana ny hanatanterahana izany rahateo ny Ben’ny tanàna, Dominique Chan, raha tsy manao fangatahana ary mandoa ny sarany 2000 Ar, toy ny rehetra mampiasa io efitrano io, ny tarik’i Zakahely Boniface. Nanda ny hanao izany ity farany, fa azy, hono, ny tanàna. Tsy nilefitra anefa ny Ben’ny tanàna, izay efa nivonona ny hanome fahazoan-dalana raha misy ny fangatahana tonga teo aminy. Daroka avy hatrany no setrin’izany. Tsy vitan’izay fa mbola notaritarihin’i Zakahely Boniface hohidiana ao angabone ny Ben’ny tanàna. Soa fa voasakan’ny mpiasan’ny Kaominina izany raha tsy izay, zava-doza no nitranga. Mitaraina ho voa mafy ihany na izany aza i Dominique Chan. Any amin’ny andilany no itarainany ho maharary azy ankoatra ny ankanjony izay rovitra. Nampandrenesin’ny Ben’ny tanàna sy nampahalalainy ny zava-nitranga ny lehiben’ny Distrikan’i Mananara Avaratra. Milaza ny hametraka fitoriana amin’izao fandratrana niniana natao izao ny Ben’ny tanàna.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.