Politique

Zafy – Ratsiraka – Ravalomanana Nandamoka ny tetika fampiadiana azy ireo


  • Alarobia 21 Aprily 2010

Vaovao mbola mitana ny sain’ny maro ny resaka fanonganam-panjakana tsy tanteraka ka niafara tamina fisamborana olona faobe ny tolakandron’ny alahady 18 aprily teo ary nitohy hatramin’izao.

Voatonontonona tamin’ity resaka ity ny Hery Vonjitaitran’ny Zandary na FIGN eny Fort Duchesne. Niala tamin’ny fahanginany ireto farany ka nilaza fa tsy misy idiran’izy ireo ny amin’izany. Ho an’ny mpanara-maso politika dia nabaribarin’ny FIGN, na tsy nambarany mivantana aza, fa tsy vola maloto velively izany no nomen’ny filoha Marc Ravalomanana azy ireo, tamin’ny martsa 2009 fa tena fanampiana ara-dalàna. 500 tapitrisa ariary no voalaza tamin’izany saingy nisy nanodinkodina, izay anisan’ny fototry ny disadisa teny Fort Duchesne teny, ka nitakian’ny FIGN ny hanalana tamin’ny toerany ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, ny jeneraly Razafindrakoto Bruno Wilfird, izay tsy afaka mandrak’ity ny androany.

Tetsy an-kilan’izany dia novoizina mafy efa talohan’ny paska ary nohamafisin’i Andry Rajoelina, nandritra ny fandaharana manokana tamin’ny haino amanjerim-panjakana nanasana azy, ny alin’ny 14 aprily 2010 ny hisian’ny fihaonana eo aminy sy ny filoha Marc Ravalomanana. Fihaonana izay hatao any Johannesbourg Afrika Atsimo ny 28 aprily raha ny 24 aprily no efa nanaovan’ny ankolafy Rajoelina laza masaka. Fantatra anefa fa ny SADC no mikarakara ny fihaonana fa mpanalalana ihany ny Afrikanina Tatsimo sy ny Frantsay, ary mbola ny ekipan-dry Joaquim Alberto Chissano no mpanelanelana. Dia miharihary teto indray koa fa nandamoka ny fandemen-tsaina natao isan’andro tamin’ny haino aman-jery mpomba ny FAT fa ny filoha Marc Ravalomanana dia tokony ho fahavalon’ny prezida Zafy sy Ratsiraka noho ny ratsy natao azy ireo. Tsy nahomby ihany koa ny tetika saika hampiadiana ny filoha Ravalomanana tamin’ny ankolafy Zafy sy Ratsiraka tamin’ny fanambatambazana ny filoha Marc Ravalomanana hihaona manokana amin’i Andry Rajoelina any Afrika Atsimo, ahafahana milaza rehefa avy eo fa Ravalomanana dia nanaiky ny hanilihana azy ireo.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT