Politique

Zafy Albert Fahanginana mampiahiahy


  • Alakamisy 24 Janoary 2013

Nangina tsy re feo intsony hatramin’ny nampalaza ny «Ni….Ni» ny profesora Zafy Albert izay tsy hoe lasa lavitra tsy akory fa eto Antananarivo ihany.

 Tahaka ny nangina tsy nisy tohiny intsony koa ireo fitoriana napetrak’ity filoha teo aloha ity momba ny raharaha mafampana tato anatin’izao tetezamita izao ka anisan’izany ny momba ny boaderozy. Efa iarahan’ny rehetra mahalala ihany anefa fa tsy mba mitsitsitsitsy fitenena ary tsy matahotra ny hosamborina izany mihitsy ny profesora Zafy, ary tena mahagaga fa na iza na iza mpitondra teto Madagasikara dia tena notoherin’i Zafy Albert mafy dia mafy saingy tsy nisy sahy nisambotra azy mihitsy, eny fa na dia ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina izay tompondakan’ny fisamborana sy ny fanagadrana aza. Maro no manontany tena ankehitriny hoe : tena tapa-kevitry ny hisotro ronono amin’izay fa tsy hanao politika intsony ny profesora Zafy no mangina sy tsy miteny, sa efa manana paikady politika mba hiverenana eo amin’ny fitondrana ?

Tsy tokony ho adinoina fa olon’ny ankolafy Zafy Albert ny praiminisitra lehiben’ny governemantan’ny marimaritra iraisana, Beriziky Jean Omer izay misy milaza fa olon’ny sehatra iraisam-pirenena. Manjavozavo koa hatramin’izao ny momba ireo minisitra ao anaty governemanta avy amin’ny ankolafy Zafy, kanefa Raprôfy milaza fa tsy nanolotra olona ary tsy manaiky an’ireo. Toa miresaka tsara sy miara-mivory ihany anefa ry zareo, ary tsy nandray fepetra amin’izy ireo ny filoha Albert Zafy. Politika no resaka eto, ary tsy miafina fa mangetaheta te hahazo fitondrana ny ankolafy Zafy Albert fa tsy sanatria hanohitra mandrakizay sy hanara-drenirano foana isaky ny mihetsika. Ekena mihitsy fa misy ny fotoana hanginana ary misy ny fotoana itenenana, fa na izany aza dia mampiahiahy ihany ity fahanginan’ny Rain’ny demokrasia eto Madagasikara ity amin’izao vanim-potoana mafampana mialoha ny fifidianana izao, satria tsy toetran’ity filoha teo aloha ity mihitsy izany mangina amin’ny vanim-potoana tahaka izao, izany. Ny tsikaritra koa dia toa niaraka nangiana tsy niteny izany i Zafy Albert sy Didier Ratsiraka.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT