Tia Tanindrazana (TT) : Azo fantarina ve tompoko, inona no vaovao farany voarainao momba ny diniky ny filankevi-pilaminana sy fandriampahaleman’ny Vondrona Afrikanina na ny CPS tany Addis Abeba momba ny raharahan’i Madagasikara ?
Zafilahy Stanislas (ZS) : Nanao tatitra tamin’ny CPS momba ny asa fanelanelanana nataony taty Madagasikara ireo ekipan’i Chissano. Naharitra ora iray sy 40 minitra teo ho eo izany. Rehefa vita ny tatitra dia fanontaniana maro maro no napetraky ny CPS taminy, anisan’ireny ny hoe aiza sy dosie iza no tena izy ? Ny notapahan’ireo filoham-panjakana tany Sandton ve sa ny taratasy nosoratan’ny Sekretera mpanatanteraky ny SADC ? Teo koa ilay fanitsiana voalaza fa natao. Ankoatra izay dia anisan’ny nanontaniana azy ireo koa ny momba ny fanambarana fa tsy ovaina ny praiministra sy ny governemanta. Fanontaniana no napetraky ny CPS momba io satria fantatr’ity rantsa-mangaikan’ny Vondrona Afrikanina ity fa efa praiminisitry ny FAT hatramin’izay io mipetraka eo io. Tsy nisy voavaly ireo fanontaniana ireo, araka ny vaovao. Tezitra tamin’ireo ekipan’i Chissano ny CPS ka nibedy azy ireo satria tsy nisy nandeha tamin’ny laoniny ny asa fanelanelanana taty Madagasikara ary dia notakian’ny CPS hiverina aty izy ireo hamerina hanao ny dosie momba ny raharahan’i Madagasikara. Ny fahitako azy dia sarotiny tokoa ny CPS amin’ny raharahantsika ka tsy te hanao zavatra fahatany izy mba tsy hiverenan’ny krizy intsony.
TT : Voalaza fa efa hita ao anatin’io governemanta ankehitriny io avokoa ny ankolafy rehetra kanefa ny Ankolafy 3 dia misakana amin’ny famahana ny olana ?
ZS : Ny zavatra hita dia ailiny amin’ny olona foana ny fahadisoana ataon’ny FAT. Ohatra amin’ireny io raharaha andramena io. Nolazaina fa prezida Ravalomanana no tambadik’ireny, izy anefa efa tsy eto intsony amin’izao. Tapitra migrevy daholo ny ankamaroan’ny olona. Manjaka ny kolikoly amin’ny sehatr’asa maro eto amintsika. Diso ny filazana fa misokatra io governemanta io satria fiaraha-mitantana no takiana hamahana ny krizy. Tsy avy amin’ny Ankolafy telo mihitsy ny olana satria raha tena olana avy amin’ny Ankolafy 3 ireny dia nifampidinihana. F’anga nisy an’izany dinika izany teto ? Ho anay manokana dia TGV Vaovao ireny lasa tany ireny. Tsy mbola feno ny fepetra matoa mbola takian’ny fianakaviambe iraisam- pirenena ny fiaraha-mitantana.
TT : Manoloana izany ary dia hanao ahoana ny ho tohin’ny tolona ?
ZS : Ho fotoam-be rahampitso sabotsy ho avy izao eny amin’ny Kianjan’ny ara-dalàna. Omaly dia tsy nisy ny hetsika teny amin’ny Magro fa teny Anosy izahay nanotrona ny fitsarana ny raharaha 7 febroary. Tsy hijanona ny fitakianay raha tsy miverina ny ara-dalàna ary tafaverina an-tanindrazana ihany koa ny prezida Ravalomanana. Hihamafy izany hetsika izany satria hitatra manerana ny Nosy. Ny an’ny Ankolafy 3 mantsy tsy fitsaboana ivelany fotsiny fa efa mazava ny aretina. Tsy ho maimaika amin’izay tetezamita izay tsy ho lasa lavitra. Aleo rehefa mandray fepetra dia diovina tanteraka. Raha ny renay amin’ny resaka hifanaovan-dry zareo samy zareo dia tian’izy ireo tarihina ela io tetezamitany io satria ao ny fihinanany. Ny tsara fantarina anefa dia tsy hahazo fankatoavana iraisam-pirenena mihitsy isika raha tsy fiaraha-mitantana. Tsy ho tanteraka io fa fanalavana hihinanana fotsiny io. Koa raha mihizingizina eo foana ny FAT ka raha taitra io Malagasy io dia miongana ho azy eo fotsiny.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.