Politique

Zafilahy Stanislas «Tsy hanaiky atao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena izahay”


  • Alarobia 02 Jona 2010

Andro maromaro lasa izay no tsy dia nahatazanana ireo lohandohany amin’ny mpitarika ny hetsiky ny ankolafy telo teny an-kianja.

Nanomboka ny alatsinainy teo dia nanomboka hita tsikelikely tao amin’ny Magro Behoririka izy ireo, toa an’i Jean Louis Rakotoamboa, Constant Raveloson izay samy nikabary. Omaly dia ny depiote Zafilahy Stanislas no anisan’ny nandahateny. “Nifoha tamin’ny torimasony i Afrika», hoy izy. 50 taona izao no nialan’ny kontinanta afrikanina teo ambany vahohon’ny Frantsay kanefa raha ny zava-misy dia saika anjakan’ny fahantrana sy ny ady an-trano avokoa ireo firenena nozanahan’ny Frantsay teo aloha. Ny fivoriana iombonan’i Frantsa sy Afrika tany Nice no nijoroan’ny firenena afrikanina. Vokany, nilaza ho tsy nomba ny mpanongam-panjakana ny filoha frantsay Sarkozy. Izao vao miteny izany i Frantsa, hoy i Zafilahy Stanislas, rehefa nahita fa tsy nanaiky lembenana intsony ireo firenena afrikanina. Manoloana izany indrindra dia niantso ho amin’ny firahalahiana i Zafilahy Stanislas hiadiana amin’ny fanjanahantany vaovao. “Tsy hanaiky ny hozanahana, tsy manaiky hanaovana tantely afa-drakotra ny haren-pirenea izahay”, hoy ihany ity olom-boafidin’i Vavatenina ity. «Raha toa ianareo Frantsay ka vonona hifampizara tombontsoa satria mpiara-miasa dia azo ekena izany», hoy izy. Nanainga ny hambom-pon’ny Malagasy ny tenany mba handray an-tanana ny fiainam-pirenena manomboka izao, indrindra amin’izao ankatoky ny fanamarihana ny faha-50 taona nahazoana ny fahaleovantena izao. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Minisitry ny Fitsarana
  • Alarobia 22 Aprily 2026

« Niray tetika tamin’i Kol.

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Talata 21 Aprily 2026

«Fotoana hihainoana ny rehetra izao!»

  • ANTOKO FANOROLAHY-
  • Talata 21 Aprily 2026

FANAVAOZANA TENA IZY Ataovy aloha ny fifidianana

  • MADAGASIKARA (1991 – 2026)
  • Talata 21 Aprily 2026

Misy tsy mety ao matoa mikorontana isaky ny mihetsika

  • Hary Razafindrazaka
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

"Ireo MAPAR anaty fitondrana

Hijery ny tohiny
FTT