Politique

Zafilahy Stanislas Tonga ny fotoana hanavotana ity firenena ity


  • Alarobia 16 Jona 2010

Mahalasa saina ny zava-misy ankehitriny, hoy ny solombavambahoaka Zafilahy Stanislas. Miaina anaty fahantrana sy fahasahiranana ny ankamaroany kanefa dia sahin’ny sasany, hoy izy, ny hitotorebika.

«Fifaliana sa fijoroana hiady amin’ny tsy rariny. Tsy hamono olona na handroba fa hijoro. Ho sahintsika ve ny hankalaza ny fahaleovantena nefa misy fanjanahana vaovao”, hoy ny fanontaniana napetrak’i Zafilahy Stanilas. Maro no tsy mihinan-kanina, migadra kanefa dia ho sahy hitotorebika ve isika ? hoy ihany izy nanohy. Nahazo fampieritreretana avokoa, na ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, ireo mpianatra manoloana ny mpianatra sasany voatery nandao ny fianarany noho ny fahasahiranana. Ho sahin’ireo tandroka aron’ny vozona ve ny hanao matso lehibe ao Mahamasina, hoy izy, kanefa ny namany mbola any Antanimora sy Tsiafahy noho ny fitadiavana ny rariny ?

Ho sahin’ireo raiamandreny am-panahy hafa ve ny hiantso an’Andriamanitra eny Mahamasina ny 26 jona kanefa ny naman’izy ireo maty sy nigadra noho ny fitadiavana ny rariny ihany koa ? Ho an’ireo mpitondra indray dia antso koa no nataony hoe : hiseho hankalaza ny fahaleovantena kanefa naverina eto amintsika ny didiko fe lehibe. “Aza fitahina ny vahoaka !”, hoy ihany i Zafilahy Stanilas. “Sao dia efa tonga ny fotoana hifohazana miaraka amin’izay, andraisanao, andraisantsika andraikitra, hanavotana ity firenena ity”, hoy ihany solombavambahoaka TIM voafidy tao Vavatenina ity. Firenena izay nitondra ny anarana hoe “Manankasintsara”, tany am-piandohana ka onenan’ireo “Manankasina”. Raha ny fanazavany, dia ireo no niantsoana antsika taloha fa ny Frantsay no nanova ho zary lasa hoe : “Malagasy” sy ny hoe “Madagasikara”. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT