Politique

Zafilahy Stanislas Notambazana 3 miliara mba hivadika


  • Alakamisy 12 Aogositra 2010

Aseho amin’izao tontolo izao fa tsy miala eto isika raha tsy miverina ny ara-dalàna fa ny vahoaka miandrandra ny handresy ny eto, hoy ny Depiote Zafilahy Stanislas teny amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny talata 10 aogositra.

Maro ireo sms sy antso an-tariby tonga tany aminy miahiahy sao dia voasariky ny namany koa izy ka andeha hifampidinika amin’ny mpitondra FAT. Tsy hanao vavolombelona mandainga hanamelohana ny namana aho, hoy izy. Nampahatsiahiviny fa efa nisy ny resaka 3 miliara nanambatambazana azy taloha saingy nolaviny izany. Mety hivaly any amin’ny taranaka faramandimby na dia tsy mivaly izao dia izao aza ny famadihan-tanindrazana. Izay manao ratsy mbola hotsarain’ny tantara ary na tsy voatsara ety aza mbola hotsaraina any ambony. Tsy olana n’iza n’iza mpamadika fa ny marina sarotra tadiavina tsy mba maty. Hery lehibe ho antsika ny zava-misy, tsy mampihemotra fa vao mainka mampandroso. Ilaina ny krizy nahafantarana ny marina. Fa izao ilay nolotoina omaly dia mamiratra toy ny volamena latsaka am-bovoka. “Aza matahotra minoa fotsiny ihany fa tsy maintsy miverina eto hiaraka hanarina ity firenena ity amintsika ny Filoha Marc Ravalomanana”, hoy izy. Mikasika ny resaka aelin’ny radio sy tele sasany hoe : efa miantso hifampidinika Rajoelina ka ahoana no mbola mihazohazo ihany ny Ankolafy telo ? Tsotra ny valin-teny homena azy ireo, hoy ny depiote Zafilahy Stanislas : “Aza manodikondina resaka fa efa nazava ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba fa tsy izy ny fanapahan-kevitra mandeha tokana fa tsy maintsy iarahan’ny rehetra no atao”. Mikasika ny dinika teny Ivato dia mazava ny hevitr’ity filohan’ny vondrona parlemantera Tiako I Madagasikara tao amin’ny Antenimieram-pirenena ity, fa “tsy hamokatra io”.

Lany ny fikafika rehetra fa tsy maintsy miverina amin’ny satan’i Maputo sy Addis Abeba i Madagasikara, hoy ny Pasitera Edouard avy amin’ny Mouvance Zafy Albert. May volon-tratra i Andry Rajoelina sy ny namany fa hisy raha hitranga aoriana kely. Tsy ‘problème’ olona no eto amintsika fa problema lalàmpanorenana, hoy izy, mazava ny tenin’ny iraisam-pirenena hoe : miverena amin’ny lalàmpanorenana hahazoana fankatoavana. Ady seza ny an’ireo mpanao politika fa ny Ankolafy telo no hamaha ny olana, hoy ihany izy.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT