«Raha nisy nampalahelo anareo dia hifonanay mpitarika izany», hoy ny depiote Zafilahy Stanislas omaly tao amin’ny kianjan’ny finoana, Behoririka. Atomboka aty amin’ny mpitarika ny ankolafy telo ny fifamelan-keloka, hoy ihany izy.
Nifanome toky moa ireo ankolafy fa tsy hifamitaka. Mila firaisankina ny fitarihana ny tolona, araka ny fanazavan’ireo mpitarika, mitaky fifampatokisana ihany koa. Ankoatra izay, niantso ireo mpanao politika ny depiote Zafilahy Stanislas mba hampilefitra ny fitiavan-tena fa mba tena hametraka ny tena fitiavan-tanindrazana. Araka ny fanazavany ihany dia tsy maintsy mivaha mialoha ny fankalazana ny 26 jona izao krizy izao. Nangataka ny fodian-dRavalomanana sy Ratsiraka koa ny tenany mialoha ny fetim-pirenena. Ankoatra ireo mpanao politika dia nitodika tamin’ireo mpitandro ny filaminana koa i Zafilahy Stanislas. “Ampy izay, ampy izay, fa ny satan’i Maputo sy Addis Abeba no vahaolana amin’ny krizy”, hoy izy. Tsy ny 48 ora na koa hatramin’ny faran’ny volana nangatahin’ny filohan’ny FAT tamin’ny tafika, hoy izy no hamaha ny olana satria herintaona izao no efa nahateo amin’ny fitondrana an’i Andry Rajoelina kanefa tsy nahita vahaolana hatramin’izao. Ny toekarena nitontongana, ary mampanahy ny ady an-trano, hoy ihany Zafilahy Stanislas. Nohamafisiny ihany koa fa tsy manana tombontsoa amin’izay fanonganam-panjakana ny filoha Ravalomanana manoloana ny fiampangana ataon’ny sasany. Ny fanonganam-panjakana nataon’ny sasany ihany, hoy izy, no efa nampihitsoka ny firenena toy izao. Niantso ny vahoaka moa ireo mpitari-tolona mba hampiseho firaisankina hatrany ary nangataka famelana tamin’izy ireo ihany koa ireto mpitarika. Amin’ity anio ity dia eny Tanjombato no hifamotoana ireo mpiara-dia amin’ny ankolafy telo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.