Politique

Zafilahy Stanislas Izay no vita ny amin’ny FAT


  • Zoma 08 Oktobra 2010


Tsy nampoizin’ny Frantsay ny fitiavan’ny vahoaka an-dRavalomanana, hoy i Zafilahy Stanislas, solombavambahoaka voafidy tao Vavatenina, faritra Analanjirofo. Hatrany amin’ny toerana faran’izay lavitra aza dia nahazo anjara tamin’ny filoha Ravalomanana daholo tamin’ny fitondrany. Vao nipoitra ny FAT dia nijoro nanohitra azy ireo ny vahoaka teny Ambohijatovo, ny 21 martsa 2009. Vahoaka marobe noho ireo vondron’olona tonga teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey. Mandraka ankehitriny, hoy izy, dia mijoro ny Malagasy. Raha ny fahitan’ity olom-boafidy ny zava-misy ankehitriny dia hihetsika avokoa ny vahoaka manerana ireo sampandraharaha rehetra afaka andro vitsivitsy. Noho izany, dia mila miomana isika, hoy izy tamin’ireo mpanara-dia amin’ny Ankolafy Telo. Ankilan’izany, hoy ihany i Zafilahy Stanislas dia tsy manaiky ny hofitahan’ny Frantsay ny filoha Ravalomanana. Araka ny fanazavana dia mangataka fihaonana aminy hatramin’izao ny solontena frantsay saingy tsy mahazo rirany. Momba ny ho fiarahan’ireo filoha roalahy mody moa dia nohamafisin’i Zafilahy Stanislas fa dia manantena ary vonona hitsena azy ireo ny vahoaka Malagasy. Nofinofy izany fifidianana na fitsapan-kevi-bahoaka izany, hoy izy, ary dia izay no vita ny amin’ny FAT. 

Nangonin’i Soa
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT