Politique

Zafilahy Stanislas “Hisy raha eo alohan’ny 15 mey”


  • Talata 04 Mey 2010


Tany amin’ny volana aprily tany no nanomanan’i Frantsa sy Andry Rajoelina iny sori-dalana iny, hoy ny solombavambahoaka Zafilahy Stanislas. Nampiasain’izy ireo avokoa ny tetika rehetra hamakivakiana ny vahoaka kanefa dia nisy foana ny firaisankinan’ireo ankolafy 3, hoy izy. Nazava ny tany Pretoria, hoy ihany izy, fa na ireo olona tena voakasik’izay sori-dalana aza tsy nahafantatra ny fisiany akory. Nilaina iny dinika tany Pretoria iny, hoy ity depiote ity, ary dia fahombiazana lehibe izany satria nampifoha an’i Afrika tamin’ny torimasony. Momba ny resaka mandeha fa mizarazara ny ankolafy Ravalomanana dia nambaran’ity solombavambahoaka ity fa mailo ny filoha Ravalomanana. Tsy misy fisarahana ao amin’ity ankolafy ity, hoy ihany i Zafilahy. Momba izay mety hiseho ato ho ato indray, mialoha ny 15 mey dia efa manomboka mahatsapa ny tafika fa tsy kilalao ny firenena ary efa tena sahirana ny Malagasy. Momba ny mpanao politika indray dia nanova fomba fijery, nampisokatra ny sain’ny rehetra ireny fihetsik’i Andry Rajoelina tany Pretoria ireny. Mino aho, hoy izy, fa hisy fiovana lehibe eto mandra-pahatonga ny 15 mey. Fandaminan-javatra sisa no atao mandritry ny Pretoria II, hoy ihany i Zafilahy Stanislas. Pejy vaovao, hoy izy, no hivadika manomboka anio, amin’io fotoana io dia hipasoka ny efa malama. Na Rajoelina miziriziry io aza mety hiova hevitra ihany, manoloana ny zavatra hisy anio. Matoky moa i Zafilahy Stanislas fa hisy fiovana tokoa manomboka izao ny fiainam-pirenena. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT