Politique

Zafilahy Stanislas Hiharihary eny ihany ny marina


  • Talata 21 Septambra 2010

Lany bala amin’ny fanabatiana ny filoha Ravalomanana ny mpomba ny FAT ka dia any amin’ny Profesora Zafy indray izao no mamatrapatratra.

Novolosana mafy tao amin’ny haino amanjerim-panjakana sy ireo haino aman-jery akaiky izao fitondrana izao mihitsy ny Prof omaly, fa hoe lian-dra ary manavakavaka. Tsy takona afenina fa navesatra loatra ho an’ny mpitondra FAT ny fidinana tany SAVA natoan’ny Ankolafy Telo, nizahana ifotony ny zava-misy iainan’ny vahoaka sy nanazavan’izy ireo ny raharaham-pirenena ary koa ny nanaovana ampamoaka goavana mikasika ity “bois de rose” ity, ka any amin’io fanaratsiana toa ny mihatra amin’ny Profesora Zafy io sisa fomba hitan’ny mpomba izao fitondrana izao hanankianana ny Ankolafy Telo. Vao mainka nampirehitra ny hambom-pon’ny tao amin’ny Magro anefa izany. Nohamafisin’ny depioten’i Vohémar, Hery Rahaisaina, ny tatitry ny dian’izy ireo tany Vohémar, Antalaha, Sambava ary Antsohihy indrindra ny fandripahana “bois de rose” sy ny vatosoa ataon’ny olona ambony amin’izao fitondrana izao ka mahakivy sy mahatezitra ny vahoaka amin’ireny toerana ireny, hoy izy. Tsy maintsy ho fanta-bahoaka ary dia hiharihary eny ihany ny marina, hoy i Zafilahy Stanislas na ho sarontsaromana sy hamboamboarina ao aza ny sary. Lany fotoana fotsiny ny mpizaikan’ny fihaonambem-pirenena teny Ivato hoy ireo nifandimby niteny tao amin’ny Magro omaly fa izay tian’i Andry Rajoelina hatao ihany no ataony, hijanonany ela eo amin’ny fitondrana.

Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT