Politique

Zafilahy Stanislas Hangala-bato ny FAT ?


  • Alakamisy 30 Septambra 2010

Mampahatsiahy ny mpitondra amin’izao fotoana i Zafilahy Stanislas fa nanakianana fatratra ny fitondrana Ravalomanana ny fanatanterahana fifidianana amin’ny vanim-potoanan’ny orana.

Ny zava-misy amin’izao fotoana anefa dia tafiditra ao anatin’ny fahavaratra tanteraka ny 17 novambra 2010 hanaovana ny fitsapa-kevi-bahoaka sy ny 20 desambra 2010 hanaovana ny fifidianana Ben’ny tanàna ary ny 16 martsa 2011 hifidianana depiote. Nambara mantsy tamin’izany fotoana, hoy ity solombavambahoaka Tiako I Madagasikara ity, fa tetika napetraky ny mpitondra fanjakana mba hangalaram-bato ny fanaovana fifidianana ao anatin’ny vanim-potoanan’ny orana. « Nahoana anefa no mbola misisika hanao izany ihany ny FAT, sa efa mieritreritra ny hangala-bato ? », hoy ihany izy. Nametra-panontaniana ihany koa izy ny amin’ny hoe : aiza moa ny lalàna fototra hanatanterahana ireo fifidianana ireo ? Amin’ity mpitari-tolona mafana fo eny amin’ny Magro ity dia tsy ho tanteraka ny fifidianana Ben’ny tanàna amin’ny 20 desambra 2010 ary mety hitovitovy amin’izany ihany koa ny amin’ny 17 novambra satria kitoatoa ny fanomanana no sady tsy mitombina ny zavatra aroso ny mpifidy.
 

RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT