Politique

Zafilahy Stanislas “Aza omena amnistia Rajoelina raha tena madio tanana tokoa


  • Zoma 18 Janoary 2013

Marary ny firenena ka mila terena ny SADC amin’ny fampodiana ny filoha Marc Ravalomanana, hoy ny solontenan’ny Komity Miaro ny fiainam-bahoaka na KMFB tetsy amin’ny Magro omaly.

 Nambaran-dRtoa Malalatiana fa ny filoha teo aloha irery ihany no manana ny vahaolana amin’izao aretin’ny firenena izao. Niray feo ireo nandaha-teny tetsy andanin’izany fa tsy vahaolana ho amin’ny famahana ny krizy ny filazana fa ny fifidianana solombavambahoaka no hatao mialoha ny an’ny filoham-pirenena. Tetika hampidirina ireo namana hahazoany ny maro an’isa ao amin’ny Antenimiera io ka hifidy azy ho praiminisitra, hoy Ramarolahy Félix.

Tetsy andanin’izany dia nambaran’i Leriva Manahirana fa mihazakazaka be ny fandehan’ny toe-draharaha. Raha niresaka tamin’ireo mpitaritolona ny filoha Ravalomanana, hoy ity CST ity dia nilaza fa tsy olan’ny ankolafy Ravalomanana ny olan’ny FAT. Mila miresaka sy mitafa ary mifakahita tava amin’ireo mpikambana ao amin’ny ankolafy Ravalomanana ny tenany vao hisy ny fifidianana. Nambaran’ny filoha Ravalomanana ihany koa fa tsy tokony handany andro hifanenjika intsony satria betsaka ireo zavatra tsy fantatry ny Malagasy. Momba ny fiangavian’ny SADC hanomezana amnistia an’i Andry Rajoelina dia nilaza i Zafilahy Stanislas fa “aza omena amnistia Rajoelina raha tena madio tanana tokoa”. Sahiran-tsaina ny filohan’ny FAT, hoy i Zafilahy satria raha hilatsaka dia tsy hisy vola hanaovana ny fifidianana, tsy hilatsaka anefa dia maindry azy ny fitsarana iraisam-pirenena. Mazava ihany koa izao, hoy ihany i Zafilahy fa tsy te hanao fifidianana ny FAT matoa mbola miziriziry misakana ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana mianakavy. Mazava ny toromariky ny filoha Ravalomanana, hoy izy. Tsy hisy fifidianana raha tsy tonga eto ny tenany ary raha mbola hifanilika dia mbola ho krizy eto ihany isika. 

 Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libĂ©ration
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT